Zoma 24 Septambra 2021

Ianareo koa… dia voantso ho an’i Jesosy Kristy. Romana 1:6

… Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga. 1 Petera 2:9

 

Ny antson’i Jesosy

„Nifanerasera tamina kristiana aho fony mbola kely, ary nahare imbetsaka ny antson’i Jesosy handray Azy ho Mpamonjy sy Tompo manokana. Isaky ny nahare izany aho, dia nisy ady mafy nitranga tao anatiko, nisy zavatra nanosika ahy hanohitra an’Andriamanitra. Nantsoiny aho hibebaka sy hino ny Zanany, saingy nangataka andro hatrany hamalina izany. Nefa tamin’ny lohataona 1983 aho dia nandeha naka rivotra tany Angletera nandritra ny efatra herinandro, tao amina sekoly fampianarana Baiboly. Nandritra ny fivahinianako tany, dia nisy tranolay fitoriana ny Filazantsara, natsangana teo amin’ny tany malalak’io sekoly io. Arakaraka ny nanatrehako ny fivoriana tao no nahatsapako kokoa hatrany ny tokony hanapahako hevitra hino an’i Kristy.

Indray hariva aho, rehefa avy nahare fanimpolony ny fitaomana handray an’i Jesosy ho Mpamonjiko, dia nibebaka noho ireo fahotako ary nitodika taminy. Nitomany aho, ary nangataka famelan-keloka tamin’Andriamanitra sady nivavaka taminy mba hataony zanany. Resy, noho ny fanampiany, ny avonavona nanakana ahy nandritra ny taona maro tsy hibebaka sy tsy hanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra. Nisy vesatra, tsapako niala teo an-tsoroko ; ary fifaliana sy fiadanana lehibe, nameno ny foko. Toy izany no nankafizako ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, ary nanomboka tamin’izay aho dia nahazo antoka fa afaka tamin’ny fanandevozan’ny ota sady voaaro tsy hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra. Toy izany no nanombohan’ny fiainako ao amin’i Kristy. Rehefa tafaverina tany Italia aho, dia hitan’ny olona rehetra fa niova, ary araka ny nampoiziko indrindra, dia maro tamin’ireo namako taloha no nandao ahy tsikelikely. Nefa niaraka tamiko ny Tompo, ary nampahery ahy tamin’ny finoana Azy.”

Jacinth