Asabotsy 25 Septambra 2021

Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny ; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina. Salamo 37:25

Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza ; dofodofotra sy maitso izy. Salamo 92:14

 

Ny androm-pahanterana

Tsara vakina : Mpitoriteny 12:1-8

Rehefa 83 taona i Stanley Jones evanjelista, dia tapaka lalandra ka nanjary nalemy. Na izany aza anefa dia vitany ihany ny nanonona lahatsoratra hoe : „Ny finoako dia niharana ratra maro, nefa tsy hisy fisalasalana ho hitanareo, ao ambanin’ireo holatra tafajanona. An’i Kristy aho, Azy ny singa rehetra mandrafitra ny tenako. 83 taona aho izao, ary ny fahafantarako hoe Azy aho dia mahatonga ahy ho mbola mafana fo kokoa noho ny tamin’ny fotoana nanapahako hevitra hanaraka Azy, fony aho 18 taona !”

Ny boky iray ao amin’ny Baiboly, ny Mpitoriteny, dia manoritsoritra ny fahanterana, amina sarinteny.

— Ny tanana : „hangovitra ny mpiandry trano”.

— Ny maso : „ho maizina ny vehivavy mitsirika eo am-baravarankely”.

— Ny sofina : „rehefa malemy ny feon’ny fikosoham-bary” …

Matetika sarotra ny fotoanan’ny fahanterana, noho ny fahaverezan’ny fahafaha-manao sy fahaizana sasantsasany, sy noho ny vatana miha osa. Nefa ho an’ny kristiana dia mampahery azy ny fahatsapany bebe kokoa hatrany fa ho avy ilay fihaonan-dehibe amin’ny Mpamonjiny. Ary koa, tsapany mbola tsy nisy ohatra izany ny fitiavana sy ny faharipon’Andriamanitra, Ilay Andriamanitra Rainy, manatanteraka mandrakariva ireo „teny fikasana sady soa no lehibe indrindra” (2 Petera 1:4). Afaka mampahafantatra amin’ny ankohonany sy ireo manodidina azy ny fahasambarana ananany izy, sady afaka mivavaka ho azy ireo. Ary na tsapany ho mitotongana aza ny heriny sy ny fahafahany manao zavatra, dia afaka mahatsapa ihany koa izy fa „havaozina isanandro isanandro kosa ny [toetrany] anatiny” (2 Korintiana 4:16).

Na mbola tsy manazava ny fiainanao aza ny fanantenana kristiana, dia hainao takarina : minoa an’i Jesosy.