Alahady 26 Septambra 2021
Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Jaona 1:10-12
„Jesosy, zara raha fantatra”. Izany no lohateny-na lahatsoratra navoakana gazety mpiseho isan-kerinandro, tiany nitantarana ny fiainan’i Jesosy sy nampisehoana fa tsy dia fantatry ny olona niara-belona taminy Izy. Koa mipetraka ny fanontaniana hoe : Olon-tsy fantatra niaina 2000 taona mahery lasa izay, fomba ahoana no ahafahan’olona an-tapitrisany mahafantatra Azy ankehitriny ? Eny, tsy nohadinoina tsy akory Jesosy. Fa iza marina moa Izy, amintsika ?
Ny anarany hoe „Jesosy” dia midika hoe „Andriamanitra Mpamonjy”. Io no anarana nentiny fony Izy tonga tetỳ an-tany. Ilay Andriamanitra dia tonga olona, nefa nitoetra ho Andriamanitra hatrany, tonga olona mba hahafahany mamonjy ny olona. Izy dia Andriamanitra naseho teo amin’ny nofo (1 Timoty 3:16), Ilay Teny tonga nofo (Jaona 1:14).
Nefa ny andinin-tSoratra Masina nomena androany dia milaza amintsika fa tsy nanaiky ny fahalehibeazany izao tontolo izao. Mifanohitra amin’izany aza, fa natao tsinontsinona Jesosy, satria nanetry tena sy nahantra. Ny fiainany masina sy tsy nisy ota dia nanelingelina, satria nampiharihary ny tao anatin’ny fon’ny olona tsirairay. Nanameloka Azy ho faty ny mpitarika ara-pivavahana sy ny manampahefana tamin’izany fotoana izany, niampanga Azy ho mpisandoka sy mpiteny ratsy an’Andriamanitra. Tompon’andraikitra ny olona, tamin’ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, nefa io fahafatesany io no fomba tian’Andriamanitra namonjena antsika ho afaka amin’ny fanamelohana sahaza antsika. Teo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia nitondra ny fahotan’ireo izay mino Azy. Isika ve mba mahatakatra ny zavatra rehetra fonosin’io anarana hoe „Jesosy” io ? „Tsy misy famonjena amin’ny hafa ; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena” (Asan’ny Apostoly 4:12).