Alatsinainy 27 Septambra 2021
Manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Jakoba 4:7
… very hevitra, nefa tsy mamoy fo ; enjehina, nefa tsy nafoy ; potraka, nefa tsy maty. 2 Korintiana 4:8, 9
Raha mbola eto an-tany ihany koa ny kristiana, dia tafiditra ao anaty ady ara-panahy. Fantatry ny mpino fa izy dia miandany amin’Ilay Mpandresy, Ilay Mpamonjiny, Ilay manafaka. Nefa ataon’i Satana izay azony atao mba hampahalemy ny miaramila, na mba hahalavo azy eo ambava ady mihitsy aza. Manana tetika marobe i Satana ! Ny tanora kristiana, ohatra, dia mety hezahiny omena sary tsy izy momba an’Andriamanitra. Ny hasehony azy ireo dia Andriamanitra lavitra sy mpila voatsiary, tsy miraharaha azy ireo afa-tsy rehefa hanara-maso azy ireo sy hanasazy azy ireo isaky ny solafaka. Ny zokinjokiny indray dia hataony mino fa afaka miatrika samirery ny fakam-panahy, satria hoe efa nanjary kristiana manana traikefa bebe kokoa…
Tsy milaza velively ny Baiboly hoe tsy ho tojo ady ny kristiana. Ambarany aza fa tian’i Jesosy Kristy hotarihina mba handresy izy rehetra, manomboka amin’ny zandriny indrindra ka hatramin’ny zokiny indrindra. Indraindray Ilay Andriamanitsika Tsitoha dia mitsapa ny faharetantsika, mba hahatonga antsika ho miaramila matoky kokoa ny fahendren’Ilay Lohantsika, dia ny Tompo Jesosy. Tokony ho tonga saina mandrakariva isika fa tsy mahafehy ny toejavatra amin’ny fahaizana kely ananantsika, ka tena mila mihitsy ny fanampian’ny Tompo. Dia ho tsapantsika ny heriny.
Angamba ianao, amin’izao fotoana izao, iharana fanafihana mahery vaika ataon’i Satana fahavalontsika. Tsy mahagaga mihitsy izany, ho an’ny mpino. Hevero i Davida kely sy i Goliata goavambe (1 Samoela 17). Miatrika ady miafina kokoa angamba ianao. Matokia hatrany. Miankìna amin’ny Tompo, mifandraisa mandrakariva aminy, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny famakiana ny Baiboly. Miha akaiky ny fanafahana, ary tsy mba tara loatra, na oviana na oviana.