Talata 28 Septambra 2021
Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho ; fa Ianao no amiko ; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. Salamo 23:4
(Hoy Jesosy :) Izaho no Mpiandry Tsara ; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. Jaona 10:11
Niresaka ahi-maitso sy rano manala sasatra i Davida, avy eo lalana tokony harahina. Izao Izy dia mampahatsiahy ny „lohasaha aloky ny fahafatesana”, izany hoe ireo fotoana maizina ahatsapana loza mitatao sy tahotra, ka tena ahatsapana indrindra ho mila mpiaro manatrika.
Rehefa mandalo fisaonana isika, na aretina mafy, na koa rehefa manalokaloka sy mampitebiteby ny fahafatesana, dia tena mila ny Tompo ! Eo Izy, manatrika mandrakariva. Amin’ireny fotoana ireny ny mpino dia tena mila ny Tompo ho eo akaikiny, ary afaka miteny am-patokiana hoe : „Tsy hatahotra ny loza aho ; fa Ianao no amiko” !
Nogadraina ny apostoly Paoly, tany Jerosalema ; tsy maintsy niatrika ny amperora romana izy, tany Roma. Nefa tao anatin’ireo toejavatra roa ireo, dia tsapany fa teo anilany ny Tompo (Asan’ny Apostoly 23:11 ; 2 Timoty 4:17). Mahatoky ny Tompo, eo mandrakariva Izy amin’ireo fotoana sarotra indrindra : tena mampahery antsika anie izany e !
Fa misy zavatra hafa mampionona antsika ihany koa, dia „ny tsorakazony sy ny tehiny”, fitaovana roa mampiavaka ny mpiandry ondry : ny tehina, natao hiarovana ny ondry ; ary ny tsorakazo, natao hanangonana azy ireo. Tsy fitaovana fe fitaovana tsy akory ireo, fa fitaovan’Ilay „Mpiandry ahy”. Eo ny fiahian’ny Tompo, hitarika ahy, hamerina ahy, hampianatra ahy. Tsy avela ho irery izaho sy ireo fironako manokana. Antoka mamy anie izany e ! Mikarakara ahy Ilay Tompo nitia ahy sy mbola tia ahy hatrany (Hebreo 12:6-8). Mba tsy hohadinoiko na oviana na oviana anie izany !