Alarobia 29 Septambra 2021
Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako ; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny. Salamo 18:6
Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa, noho ny amin’i Kristy. Filipiana 3:7
Tao anaty fiarandalamby dia nisy mpandeha niresaka zavatra maro samihafa, ny zavatra niainan’izy ireo, ny fikasany. Nihaino azy ireo ity ramatoa pintsana kely efa zokiolona sy miketrona. Nanontaniana azy izay mba heviny.
— Raha izaho, dia efa namoy ny zavatra rehetra, hoy izy, ka fantatra tamin’ny fiteniny fa vahiny izy. Fahiny aho, tany amin’ny tany niaviako, dia nanankarena ary niara-niaina tamin’ny fianakaviako. Saingy nitranga ny ady an-trano, ka nandrava izany rehetra izany. Efa an-taonany maro aho izao no irery atỳ an-tany hafa. Voatery aho nanao asa tsy nahazatra ahy, mba hahafahako mivelona. Nefa tsy manenina aho. Tao anatin’ny maha irery ahy no nahitako an’Andriamanitra. Ankehitriny aho dia mahalala an’i Jesosy Kristy. Fony mbola nanam-be aho dia tsy mba tena sambatra, na oviana na oviana, ary tsy afa-po akory aza. Fa tao amin’i Jesosy kosa no nahitako ny tena fahasambarana.
Nangina ny rehetra teo, samy nieritreritra ny tsirairay…
Tsara ho antsika ihany koa ny mieritreritra ! Anio fiainana miroborobo, nefa rahampitso mety ho fijaliana, aretina, ary tsy fisiana. Na eo aza anefa izany, dia tsy maharava ny fanantenan’ireo izay mahalala an’Andriamanitra, ary tsy afaka manohintohina ny fahatonian’izy ireo. Ny tena fahasambarana mantsy dia tsy ao amin’ny zavatra hita maso na azo tsapain-tanana, izay mandalo ihany, na ao amin’ny fitiavan’olombelona, na dia lehibe sy manan-danja aza ireny. Jesosy Kristy irery ihany no afaka manome io tena fahasambarana io. Ireo izay matoky Azy dia tolorany fanampiana, fiadanana, fifaliana, fampaherezana, ary fiainana mandrakizay. „Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana ; dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao” (Salamo 50:15).