Alakamisy 30 Septambra 2021

Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe : Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany ; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana ; fa amin’ny andro izay ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao. Genesisy 2:16, 17

Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy : Tsy ho faty tsy akory ianareo. Genesisy 3:4

 

Nofinofin’ny „transhumaniste” : ho tsara noho ny olombelona voajanahary

Nanomboka tamin’i Prométhée ka hatramin’i Frankenstein, dia nofinofin’ny olona hatrany ny hanamboatra milina manan-tsaina mitovy endrika amin’olona. Fa ny zava-baovao tamin’ireto taona faramparany ireto, dia ny hambon’ny „transhumaniste”, tohanan’ireo orinasa vaventin’ny tranonkala. Ilay hambo dia ny hanatsara ny zava-bitan’ny olombelona, hanova ny fahitany, hanafaka azy amin’ny vatantenany mety lo, ary hanao azy ho zavamananaina safiotra lavorary indrindra sy tsy mety maty !

Izany dia mitarika antsika hanontany tena momba izay mampiavaka ny olona amin’ny biby sy amin’ny milina. Tahaka ny biby, dia zavamananaina ny olombelona (mifanohitra amin’ny milina), saingy ny maha hafa ny olona amin’ny biby, dia izy zavaboary afaka, tonga saina, ary tompon’andraikitra. Fantany fa misy izy, fantany fa olona izy ka afaka miteny hoe „izaho”. Fantany koa ny tsara sy ny ratsy.

Ary indrindra, lazain’ny Baiboly fa ny olombelona dia noarìna mitovy endrika amin’Andriamanitra. Izy dia nomen’Andriamanitra fanahy, ahafahany mifandray amin’Ilay Mpahary azy sy miresaka aminy.

Aza voafitaky ny nofinonin’ny „transhumaniste”. Ohatra, ny fitadiavana hanalavana ny andro hiainana dia tsy manafoana velively ny tokony hieritreretana ny fahafatesana sy izay aorianany. Aleo mitodika amin’Andriamanitra, mba hahazo fiainam-baovao. Izany fiainana izany dia ny mahafantatra Azy (Jaona 17:3), Ilay Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany, mahalala Azy ho Ilay Andriamanitra mamindra fo ary te hanao antsika ho zanany.