Zoma 1 Oktobra 2021
(Hoy Jesosy tamin’ny Rainy :) Izy… tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. Jaona 17:14, 15
„Aiza Andriamanitra, no toa feno faharatsiana izao tontolo izao ? misy olona noana, mangetaheta, tsy manan-kialofana, nafindra monina, nitsoa-ponenana. Aiza Andriamanitra, rehefa misy olona tsy manan-tsiny maty noho ny herisetra, ny asa fampihorohoroana, ny ady ?”
Mamaly io fanontaniana io ny Baiboly, hoe : „Andriamanitra dia any an-danitra, ary ianao etỳ an-tany” (Mpitoriteny 5:1). Izany dia mampahatsiahy antsika ny fahalehibeazan’Andriamanitra, andaniny, sy ny maha tsinontsinona ny olombelona, ankilany. Matetika isika no te hiteny amin’Andriamanitra izay tokony hataony, nefa ny anjaran-toerantsika dia ny mihaino tsara izay asainy ataontsika. Ny tany dia nomeny ho an’ny zanak’olombelona (Salamo 115:16), ary nankininy taminy ny fitantanana azy. Tsy nahomby ny olombelona ; porofon’izany ny toerana loza amin’antambo misy ny planetantsika.
Koa nahoana àry Andriamanitra no tsy miditra an-tsehatra izao, mba hamerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra ? Efa nanao mihoatra noho izany Izy, 2000 taona mahery lasa izay, naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany mba hitondra ny fahasoavana sy ny fahamarinana. Nefa dia nohomboan’izao tontolo izao teo amin’ny hazofijaliana Ilay irak’Andriamanitra. Koa avelan’Andriamanitra handeha araka izay fandehany ny zavatra rehetra, alohan’ny hidirany an-tsehatra ho amin’ny fitsarana.
Nefa Ilay Andriamanitra tompon’ny fahefana rehetra dia Andriamanitra fitiavana, mahari-po ary manome ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka, fomba hisorohana io fitsarana io. „Jesosy Kristy Tompontsika… nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’izao miara-belona ratsy fanahy izao” (Galatiana 1:3, 4). Satria mino an’i Jesosy Kristy ny kristiana, dia tafasaraka ara-toe-panahy amin’izao tontolo mbola misy azy izao. Nefa Andriamanitra manome fiainam-baovao ho azy ireo, mbamin’ny fahafahana manohitra ny ratsy sy manao izay zavatra mahafaly an’Andriamanitra.