Asabotsy 2 Oktobra 2021

(Hoy Jesosy :) Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany… Fa miharia harena ho anareo any an-danitra… Fa izay itoeran’ny harenanao, dia ho any koa ny fonao. Matio 6:19-21

… tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra. 2 Korintiana 6:10

 

Fiainana sambatra

Ny fiarahamonina misy antsika dia mikatsaka kokoa hatrany ny zavatry ny tany. Ny fananan-javatra no zava-dehibe, ho an’ny maro ! Satria matetika dia matetika, ny fananan’ny tena manokana na ny fidiram-bola no maha zavatra, ary ny vola no marika ifampitahan’ny olona.

Fa amin’Andriamanitra kosa, dia tsy izany no mari-pandrefesana ny soatoavina. Asehon’ny Baiboly antsika ity tovolahy mpanankarena tonga nanontany an’i Jesosy, ary avy eo niala tamin’alahelo satria nifikitra tamin’ny vola aman-karena. Naleony nihazona izay nananany, toy izay hanaraka an’i Jesosy (Matio 19:21, 22). Tsy ratsy ho azy tsy akory ny harena, saingy rehefa ifikiran’ny fo, dia manjary mandiso ny lanja omena izay tsy zavatry ny tany.

Tsy ny harena ananantsika mantsy no zava-dehibe, fa izay ao anaty fo : fiadanana sa fitebitebena, fatokiana sa fikorontanan-tsaina. Ny fiainana sambatra dia tsy mianina amina zavatry ny tany, fa manovo ny fifaliany ao amin’Andriamanitra, Izay fitiavana.

Tian’Andriamanitra isika hahafantatra ny fitiavany, ary hahita fiadanana sy firindrana eo aminy, amin’ny toejavatra rehetra eo amin’ny fiainana. Ho amin’izany dia tokony hiaiky isika fa mila Azy, ary tokony hino ny teniny, amin’ny famakiana ny Baiboly. „Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be” (Salamo 119:162). Maro ireo afaka mijoro ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny vokatr’izany eo amin’ny fiainany. Na dia mitondra vesatra sy iharana fitsapana aza izy ireo, dia manana fahasambarana tsy azon’inona na inona esorina aminy ; ary na mahantra aza, dia manana ny tena harena, dia ireo harena maharitra mandrakizay (2 Korintiana 4:18).