Alahady 3 Oktobra 2021
Rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika. Titosy 3:4, 5
— Isika mankany amin’Andriamanitra : ny antokom-pivavahana rehetra dia mitaky ny hanaovan’ny olona dingana manokana. Taomin’izy ireny ny mpanaraka azy, hanao ezaka —asa soa, fisaintsainana lalina, fisintahana ara-panahy… — mba ho afaka manatona andriamanitra somary manjavozavo sy mba hahazo sitraka aminy. Nisy lehilahy nantsoina hoe Kaina, tamin’ny fotoana niandohan’ny zanak’olombelona, nanao araka izany fotokevitra izany : te hahazo sitraka tamin’Andriamanitra izy, ka nitondra ny vokatry ny asany sy ny ezaka nataony. Saingy tsy neken’Andriamanitra ny fanatitr’i Kaina, toy ny tsy andraisany koa ankehitriny ny ezaka ataon’ny olona mitady ny fankasitrahan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny herin’ny tenany. Ireny ezaka ataon’ny olombelona ireny no antsoin’ny Baiboly hoe „asa maty” (Hebreo 6:1). Na oviana na oviana, tsy misy antokom-pivavahana, na dia izay toa manintona indrindra aza, afaka mamonjy olona.
— Andriamanitra mankatỳ amintsika : izany no hafatra mampitolagaga entin’ny Filazantsara. Andriamanitra tenany mihitsy no nanatona ny olona. Naka ny toetran’olombelona Jesosy Kristy Zanany, mba hampahafantatra antsika an’Andriamanitra mbamin’ny fahamarinany lavorary sy ny fitiavany tsy misy fetra. „Tsy nisy nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy” (Jaona 1:18). Tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana Jesosy no nanatanteraka ilay asa hany azon’Andriamanitra nankasitrahina ka ahafahantsika manatona Azy. Mandraka ankehitriny dia mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ireo rehetra matoky an’i Jesosy sy ny sorona nataony.
Antokom-pivavahana ve sa Mpamonjy no anananao ?