Alatsinainy 4 Oktobra 2021
Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy, ao amin’Andriamanitra. Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ny voninahitra ianareo. Kolosiana 3:3, 4
Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko. Galatiana 2:20
Li An, kristiana sinoa nogadraina noho ny finoany an’i Jesosy Kristy, dia nandalo fitsarana rehefa notanana ela tany an-tranomaizina. Noraisim-peo ny fakana am-bavany azy nandritra ny fitsarana :
— Mbola mino ny fivavahana kristiana ihany ve ianao ? hoy ny mpampanoa lalàna, nanabanty azy.
— Tsy mino ny fivavahana kristiana aho. Dia nihomehy ilay mpampanoa lalàna sady niteny hoe :
— Hay nahavita nanitsy anao ihany izany izahay, nony farany. Hoy i Li An namaly :
— Tsy nino velively ny fivavahana kristiana aho, fa mino an’i Jesosy Kristy. Nitrerona ilay mpampanoa lalàna hoe :
— Aza manodinkodin-dresaka eo ianao e ! Zavatra mitovy ihany ny fivavahana kristiana sy Jesosy Kristy.
— Tsia ! misy fahasamihafana lehibe ireo.
— Inona no tianao holazaina ?
— Ny maha samy hafa azy, ny fivavahana kristiana dia antokom-pivavahana. Manana fiangonana izy, manana fitambarana fitsipika, pasitera sy mpanompo hafa koa ao amin’ny fiangonana. Afaka manidy ny fiangonana ianareo, mandrara tsy hanarahana ny fitsipika ao, misambotra ny mpitoriteny. Fa Jesosy Kristy kosa dia velona ato am-poko. Izy no fiainako. Tsy afaka hanala izany amiko ianareo, na oviana na oviana. Miaraka amiko mandrakariva Izy, na izao eto izao aza, manoloana izao fitsarana izao. Ahoana moa no hahafahako mandà Ilay namonjy ahy ? Tsy afaka ny tsy hino Azy aho.
Aleo kristiana any am-ponja, toy izay mpivavabavaka ivelan’ny fonja. Ary fanampin’izany, tsy misy mahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy. Velona atỳ anatintsika Izy, ary mampandresy antsika, na aiza na aiza misy antsika.