Talata 5 Oktobra 2021
Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko Ianao ; manosotra diloilo ny lohako Ianao ; ny kapoakako feno dia feno. Salamo 23:5
Ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany. Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika. 1 Jaona 1:3, 4
Miha akaiky ny faran’ny dia… Vao avy niresaka lohasaha maizina i Davida, niara-namakivaky izany tamin’ilay Mpiandry ondry teo anilany. Izao izy dia miresaka hoe misy fahavalo, nefa somary mampiseho fa efa resy ireo. Toy ny tsy mahaloa-peo ny fahavalo, satria ny resahina eto dia sakafo anasana an’i Davida ary mahasambatra azy tanteraka.
Eto i Davida dia tsy miresaka amin’ny Tompo intsony toy ny amina Mpiandry ondry, fa toy ny amina Sakaiza mikarakara azy : „Mamelatra latabatra eo anoloako Ianao”. Ny Tompo dia manome ny hanina sahaza ilain’ny fanahy sy fontsika, „eo imason’ny fahavaloko”. Tsapantsika kokoa ny fahamoram-panahiny, satria eo ny zava-tsarotra : fanesoana, fanoherana, fanenjehana… Ny fahavalontsika dia vavolombelon’ny fikarakaran’Andriamanitra, hany ka feno fatokiana isika, miteny hoe : „Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho ; inona no azon’ny olona atao amiko ?” (Hebreo 13:6).
„Manosotra diloilo ny lohako Ianao”. Ny mpanjaka sy ny mpisorona ihany, teo amin’ny vahoaka Israely, no nandray hosotra diloilo. Ny Tompo mihitsy no mandraraka io diloilo io, atokany ho Azy isika, ary tahiny amin’ny fomba manokana.
Koa afaka niteny i Davida hoe : „Ny kapoakako feno dia feno”, tsy misy intsony, na inona na inona, afaka anampiana izany fahasambarany izany. Izany dia kisarisarin’ny mpino sambatra tanteraka eo anatrehan’ny Tompony, feno fankasitrahana sy fiderana. Io fahasambarana io dia santatr’izay ho hitantsika tsy ho ela intsony, any an-danitra.