Alarobia 6 Oktobra 2021
Ny fahorian’ny foko, efa mihalehibe ; afaho amin’ny fahatereko aho. Salamo 25:17
Fa Izy mahalala ny toetrantsika, ka mahatsiaro fa vovoka isika. Salamo 103:14
Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy ; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko. 1 Korintiana 15:10
Fijoroana ho vavolombelona nataon’i Dietrich Bonhoeffer (1906-1945), maritiora kristiana nogadraina satria nanohitra ny fitondrana nazi.
„Iza moa ity izaho ? Matetika aho dia lazain’izy ireo fa tony rehefa mivoaka ny efitrakely igadrako, mijoro tsara sy milamina, toa andriandahy mivoaka ny lapany.
Matetika aho dia lazain’izy ireo fa rehefa miresaka amin’ireo mpiambina ahy, dia miteny an-kalalahana, am-pitiavana ary am-pahatsorana, toy ny hoe tokony hanome baiko azy ireo.
Dia lazainy ahy koa fa mahazaka ireo andro fitsapana aho, tsy mihontsona, mitsikitsiky sy mitraka, toy ny lehilahy zatra mandresy.
Dia izany tokoa ve aho ? Sa tsy inona fa ilay olona izay izaho irery no mahalala azy ? feno ahiahy, marary satria manembona, toa voronkely voahidy anaty tranom-borona… ; mangetaheta mafy hahita lokoloko, voninkazo ; mangetaheta mafy hahare feom-borona, mangetaheta teny soa sy fanantenan’olombelona ; olona mangovitry ny hatezerana rehefa mahita ny jadona sy ny faniratsirana ambany indrindra ; feno ahiahy miandry zava-dehibe, matahotra ho ana namana any lavitra any ary tsy afaka manao na inona na inona ho azy ireo, valaka dia valaka, foana dia foana ka tsy mahavita intsony na mivavaka, na mieritreritra, na mamorona ; kivy dia kivy, ary vonona hilavo lefona !
Iza moa aho ? Ilehity sa ilehirỳ ? Androany, ilay olona izao ; rahampitso, olona hafa ? Sa izy roa miaraka ? Mpihatsaravelatsihy eo imason’ny olona ; ary ato anatiko lalina, olona osa, tsy maha te ho tia ary mahonena ? Sa ve ny mbola ato anatiko, mitovy amina tafika resy, miparitaka mitsoaka manoloana ny fahavalo efa mandresy ?
Iza moa ity izaho ? Mba maha te haneso koa, raha ity izaho miteny irery ! Mahafantatra ahy Ianao, Andriamanitra ô ! fantatrao fa anao aho !”