Alakamisy 7 Oktobra 2021

Lazaiko aminareo sakaizako hoe : Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. Fa… matahora Izay manam-pahefana hanary any amin’ny helo, rehefa novonoiny. Lioka 12:4, 5

Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana, ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 8:1

 

Tsy matahotra isika

„Tsy matahotra isika, tsy handresy na oviana na oviana ny habibiana, tsy ho voatohintohina mihitsy ny finiavantsika hiara-miaina.” Marobe ny hafatra toy izany, tao amin’ny haino aman-jery, taorianan’ireo asa fampihorohoroana nandrigana olona marobe tany Eoropa. Nefa zava-poana ihany ny kabary, ao anaty horohoro afafin’olona feno herisetra, tsy manan-tanjona afa-tsy ny hanao ratsy. Hafatra hafa tanteraka no ilaintsika, mba hanome fatokiana momba ny hoavintsika.

Nilazan’i Jesosy ireo sakaizany, indray andro, mba tsy hatahotra ny olona (andinin-tSoratra Masina androany). Manana fahefana amin’ny vatana tokoa mantsy ny olona, fahefana hamono ny vatana, saingy tsy manana hery mihitsy hamonoana ny fanahy. Andriamanitra kosa dia manana ny fahefana rehetra, amin’ny vatana sy ny fanahy ; anisan’ny hataony ny handefa any amin’ny afobe, izany hoe ny helo, ireo izay nandà an’i Kristy.

Tsy matahotra an’Andriamanitra, miaina toy ny hoe tsy misy Izy, izany no toeran’ireo izay tsy mino an’i Kristy, ka noho izany dia mijoro mandrakariva ho fahavalon’Andriamanitra. Marina fa toerana mandoza mihitsy izany, nefa mba hanafaka antsika amin’izany indrindra no nahatongavan’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Niatrika an’Andriamanitra i Jesosy, teo amin’ny hazofijaliana, mba hitondra izay rehetra faharatsiantsika sy fankahalantsika, ary mba hanome ny fiadanana antsika. Maty nisolo antsika Izy, mba hanome aina vaovao antsika. Antsoiny hoe sakaizany isika, ka manana tombontsoa, karakarainy manokana. Raha tsy maintsy handalo fahafatesana isika, dia ny mba haha tafiditra antsika any am-paradisa, hiaraka amin’i Jesosy. Koa afaka miteny amintsika Izy hoe : „Aza matahotra”.