Zoma 8 Oktobra 2021
Fa tsara Jehovah ; mandrakizay ny famindrampony, ary mihatra amin’ny taranaka faramandimby ny fahamarinany. Salamo 100:5
Ny mpahay fiarahamonina dia manasokajy ny taranaka mifandimby, arakaraka ny taona nahaterahany. Ny „baby-boomers”, araka io anarany io, dia ireo olona teraka tamin’ny vanimpotoana nampitombo be ny taham-pahaterahana, izany hoe teo anelanelan’ny taona 1946 sy 1964 ; ny taranaka X, ireo teraka taorianan’ny 1965 ; ny Y, taorianan’ny 1980 ; ary ny Z, taorianan’ny taona 2000. Ambaran’ireo manampahaizana ireo fa samy manana toetra mampiavaka azy manokana ny tsirairay amin’ireo sokajy efatra ireo. Misy akony lehibe eo amin’ny toetran’ny sokajy tsirairay ireo tranga ara-tantara, zava-baovao ara-teknôlôjia ary fiovana ara-piarahamonina.
Fa ny Baiboly kosa dia tsy miova, ka taominy isika hampahafantatra amin’ny taranaka mifandimby ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra, sy izay nataony ho an’ny voariny. „Fa hambarantsika amin’ny taranaka ho avy ny fiderana an’i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony… mba hametraka ny fanantenany amin’Andriamanitra [izy] ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny ; mba tsy ho… taranaka maditra sy miodina izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin’Andriamanitra ny fanahiny” (Salamo 78:4, 7, 8).
Mila an’Andriamanitra ny olombelona, na inona na inona tontolo manodidina azy. Nanalavitra an’Andriamanitra izy, nefa Andriamanitra dia te hitahy ny voariny ary miantso azy hiverina aminy. „Ny famindrampony dia amin’izay matahotra Azy, hatramin’ny taranaka faramandimby” (Lioka 1:50). Andriamanitra no tsy miova, ka amin’ny fotoana rehetra, ny hany fomba hihavanana aminy dia ny manaiky ny nanomezany an’i Jesosy Zanany, maty sy nitsangan-ko velona indray, mba hanafaka antsika. Koa ndao àry hitantara amin’ireo izay mandimby antsika ny zava-mahagaga nataon’Andriamanitra !