Asabotsy 27 Novambra 2021

Fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Jaona 1:17

Raha niditra mba hihinana tao an-tranon’ny loholona anankiray amin’ny Fariseo Izy (Jesosy) tamin’ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo. Lioka 14:1

 

Fanasana Fariseo (3)

Ny Fariseo dia niezaka nanaraka tamin’ny antsipiriany ny lalànan’i Mosesy sy ny fombafombam-pivavahana rehetra. Nefa dia nanohitra mafy an’i Jesosy izy ireo. Na izany aza, dia intelo Jesosy no lazain’i Lioka antsika fa nisakafo tany an-tranona Fariseo (Lioka 7:36 ; 11:37 ; 14:1). Ny sakafo dia sehatra miavaka nahafahan’i Jesosy nampiseho fa nentiny avy amin’Andriamanitra ny fahasoavana sy ny fahamarinana.

Tamin’ny iray amin’ireo sakafo ireo Jesosy dia nandray vehivavy iray natao tsinontsinona, ary nilaza taminy fa voavela ny helony (Lioka 7:48). Indray mandeha koa Izy dia nanasitrana marary tamin’ny andro sabata (Lioka 14:4). Ny fahatelo Izy dia nanao teny henjana hoe : „Ianareo Fariseo dia manadio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana” (Lioka 11:39).

Hitantsika ao amin’ireo trangan-javatra telo ireo ny fahendren’i Jesosy, araka ny maha Andriamanitra Azy. Naneho ny fahasoavan’Andriamanitra Izy, rehefa namela heloka sy nanasitrana, nefa koa nanambara ny fahamarinana tao amina tontolo manohitra. Dia niharihary tamin’ny Fariseo ny fihatsarambelatsihin’izy ireo sy ny hamafisam-pony. Tamin’ny fanasana nataon’i Levy (Lioka 5:27-31) dia efa niseho tamin’ny fanakianan’izy ireo ny loza ateraka fivavahana tafasaraka amin’ny loharanony. Izany dia hitarika azy ireo hamono an’i Jesosy, toy ny namonoan’ny razany ireo mpaminany.

Ry namana kristiana, mitaona antsika handini-tena ny fihetsika toy izany. Ndao hangataka amin’Andriamanitra mba tsy hanakana ny fitiavany ny fomban-drazantsika. Ny fahasoavan’Andriamanitra dia te hamela heloka sy hanafaka. Ndao hanasa an’i Jesosy ho ao an-tokantranontsika, dia hotarihiny isika hanokatra ny varavarantsika amin’ireo izay mitady Azy, mba hanasoavantsika azy ireo.