Alahady 28 Novambra 2021

(Hoy Jesosy tamin’ny Rainy :) Manamasìna azy amin’ny fahamarinana ; ny teninao no fahamarinana. Jaona 17:17

 

Ny Teninao no fahamarinana

Ao amin’Andriamanitra irery no ahitana ny fahamarinana. Izy irery, Ilay Mpahary, no mahafantatra ny zavatra rehetra, satria avy aminy no niandohan’ny zavatra rehetra ; Izy irery no tsy miova ; Izy irery no afaka mitsara ny zavatra rehetra, Izy no fenitra lavorary sy tsy refesina. Izy no Ilay tsy hay fantarina, raha tsy maneho ny tenany.

Zavatra kely ihany no mba fantatsika olombelona ; isika dia miova, voafetra, ary vonton’ny ratsy. Ahoana no hahafahantsika mahatakatra ireo fihevitr’Andriamanitra ? Fa Andriamanitra kosa dia feno hatsaram-po amin’ny olona, ary maneho ny tenany amin’izy ireo. Nomeny azy ireo ny Teniny, izay nofenoina nandritra ny taonjato maro, mandra-pahatongany ho ilay boky tokana, dia ny Baiboly.

Ho an’ny mpino, ny Tenin’Andriamanitra, rehefa vakina sy raisina, no mampahafantatra ireo fihevitr’Andriamanitra ary manampy azy ireo hiala amin’izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

Ny Baiboly dia tsy fitambaran’ny lalàna takin’Andriamanitra harahin’ny zavaboariny tsy akory, fa fitaovana ampiasain’ny Fanahy Masina mba hampitany amintsika ny fanambarana ny toetran’Andriamanitra maro samihafa. Asehon’ny Baiboly antsika fa Andriamanitra dia masina sy mpamindra fo, nefa koa tsy maintsy manazazy ny ratsy. Ny teniny koa no teny manasitrana, ary mirakitra fampanantenana ho an’ny ankehitriny sy ny mandrakizay. Ary koa, ny teniny dia manolotra tantara, ohatra, fanambarana mametraka ny fahamarinan’Andriamanitra ho takatry ny sain’ny zanany, izay saina voafetra. Ary ambonin’izany rehetra izany, ny teniny no miresaka amintsika an’i Jesosy Kristy, ilay mofon’aina : tao aminy sy tamin’ny alalany no nanehoan’Andriamanitra ny tenany.