Alatsinainy 29 Novambra 2021

Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao ; tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. Salamo 121:2, 3

 

Mijery an’Andriamanitra

„Nonina ela tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa aho, akaikin’ireo helodrano kely ao Marseille, ary mahatsiaro ireo fitsangantsanganana teny an-dranomasina fanaonay indraindray, rehefa lohataona. Tsy dia lehibe ny sambo, nefa dia maro izahay no nifatratra tao anatiny, ary natoky ny kapiteny fotsiny ihany. Niampita izahay indray mandeha, no nisy onja mahery sy riaka nanohitra, namely anay. Toa inona moa ny tebitebiko, izaho izay tsy nahay nilomano ! Nahita ny ahiahy teny amin’ny endrikay ilay kapiteny, ka niteny mafy taminay hoe : „Mijere eny ambony, jereo ny lanitra. Hadinoy ny onjan-dranomasina !” Dia natoky indray izahay.

Nijanona ato an-tsaiko io fehezanteny io. Ary tsy io ve no tsiambaratelo, ho an’ny fiainako ? Amin’ny fotoana mampitebiteby, na rehefa misamboaravoara toy ny onja ny fiainana, indraindray, na rehefa very hevitra aho, dia manandrandra ny masoko any amin’Andriamanitra, satria Tsitoha Izy.

Tia ahy Andriamanitra, ary nanao ny zavatra rehetra mba hamonjeny ahy. Voalohany indrindra, dia te hanome ny fiainana mandrakizay Izy, ary io fiainana io dia ao amin’i Jesosy Zanany, Izay maty mba hamafa ny fahotan’ireo izay mino Azy. Io fiainam-baovao io no ahafahantsika mijery any ambony, io no manokatra ho antsika ny lanitra ahitantsika an’i Jesosy, Ilay Mpamonjy sady antoky ny fiainantsika hiaraka aminy mandrakizay.

Ary koa, Andriamanitra dia eo isanandro, miaraka amintsika, na tsy hitantsika aza. Fantany ny ahiahintsika, ny tebiteby mihitsy aza, ary miara-dia amintsika Izy, ao amin’izany. Izy no milanja izany, eo amin’ny toerantsika. Tiany hampianarina isika hatoky Azy tanteraka.”

Eo Andriamanitra, tena eo, akaiky dia akaiky kokoa noho izay iheverana azy.

Mamelombelona antsika ny fahatsaram-pony, ary manafaka antsika ny fahasoavany.

Eo Andriamanitra, tena eo, Izy Izay efa Izy hatrizay sy hatrizao ;

Tsy hiova Izy na oviana na oviana ; eo Andriamanitra.