Alarobia 1 Desambra 2021

Ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. 1 Korintiana 1:18

 

Nahoana aho no tsy te hamaky ny Baiboly

Tsy azoko izay vakiko.

Misy ampahan-teny sasantsasany ao amin’ny Baiboly toa sarotra azo, saro-takarina, na takarina an-tsaina fotsiny. Hoy i Spurgeon evanjelista : „Mahatalanjona ny mahita ao amin’ny Baiboly, lahatsoratra mafy toy ny vato, nefa mandefa pitik’afo rehefa kapohina amin’ny vavaka, izay mafy toy ny vy”. Andriamanitra no nanome tsindrimandry feno hanoratana ny Teny ao amin’ny Baiboly, koa alohan’ny hamakianao azy, dia angataho Izy hampahatakatra anao ny Teny hovakinao.

Tsy mahaliana ahy ny antokom-pivavahana.

Ny Baiboly dia tsy boky famakafakana foto-pampianarana ara-pivavahana, fa boky miresaka an’i Jesosy, Izay fanambarana Ilay Andriamanitra velona. Hoy Jesosy : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9). Dia holavinao ve ny hamaky izay tian’Ilay Andriamanitra mandrakizay hambara aminao momba ny tenany ?

Milamina ny fieritreretako, olo-marina aho, ka tsy mila fananarana ara-pitondrantena.

Rehefa mamaky ny Baiboly ianao dia hahita fa tsy misy lanjany mihitsy izay heverinao ho fahamarinanao na fahamendrehanao, eo anatrehan’ny fahamasinan’Andriamanitra. Nefa ho hitanao ao koa fa tsy fitsipika harahina mba hanatsarana ny fitondrantenanao tsy akory no omen’Andriamanitra anao, fa zavatra tsara lavitra noho izany, dia fiovana lalina hahatonga anao ho afaka manao izay mahafaly Azy.

Sady tsy iriko no tsy ilaiko ny mahalala Izay Andriamanitra tsy hita maso sy tsy mikarakara ahy akory.

Raha tsy niraharaha anao Andriamanitra, dia tsy ho nanome ny Zanany mba hamonjy anao ! Nefa dia izany indrindra no nataony, ary ny Filazantsara dia ilay tantara tena kanto milaza ny fiheverany anao. Aza avela handalo fotsiny io hafatra mifono fitiavana io !