Alakamisy 2 Desambra 2021

(Hoy Joba tamin’Andriamanitra :) Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao ; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao ; koa dia miaiky sy mibebaka… aho. Joba 42:5, 6

Na dia… mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra… aza aho…, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. 1 Korintiana 13:2

 

Ny fitiavana ny tena

„Ny fitiavana ny tena… Ilay tsiro tsy hay alain-tahaka ary tsy hita afa-tsy amin’ny tena ihany…” Izany eritreritr’i Paul Valéry izany ve tsy milaza ny fahafahampon’ny tena ? Io fihetsehampo io dia fahafaliana amin’ny tena, fitiavana ny tena satria tsara toetra sy tsara fitondrantena. Ny fiarahamonina misy antsika ankehitriny dia mampiakatra lanja ny fanomezana hasina ny tena sy ny fatokian-tena, satria ireo herim-bintana ireo dia maneho toetra mahery ahafahana mahomby. Saingy raha mibahana ao an-tsaintsika ireo, dia mety hanome vahana ny avonavona, ny fiheveran-tena ho zavatra, ny fanaovana tsinontsinona ny hafa.

Ambaran’ny Baiboly fa „ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra, sady manana aretina tsy azo sitranina” (Jeremia 17:9). Asehony koa fa tsy mahay manova samirery ny tenany ny olona, nefa omeny ny fanafody mahatohitra ny avonavontsika sy ny „izaho” ao anatintsika.

Andriamanitra dia te hampitodika amin’ireo manodidina antsika ny fahafahantsika mitia. „Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”, hoy ny lalànan’Andriamanitra (Marka 12:28-31). Ny kristiana nandray aina vaovao tamin’ny alalan’ny finoana dia mahatsapa fa tia azy Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ka nanolotra ny tenany teo amin’ny hazofijaliana hamonjy azy (Galatiana 2:20). Miezaka izy hamaly ny fangatahan’i Jesosy hoe : „Izao no didiko, dia ny hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo” (Jaona 15:12).

Raha ny fitiavana an’Andriamanitra no antony manosika ny fiainantsika, dia hiteraka fitiavana ny namana izany, ao anatintsika, ka hampirisika antsika hanadino ny tenantsika sy tsy hivelona ao anaty fitiavan-tena.