Alahady 5 Desambra 2021

Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana, sady tsy mba tompoin’ny tànan’olona, toa mila zavatra. Asan’ny Apostoly 17:24, 25

 

Mitsaoka an’Andriamanitra

Ilay Andriamanitra nampahafantarin’i Jesosy antsika, tamin’ny nahatongavany teto an-tany, dia tsy misy itovizany mihitsy amin’ireo karazana andriamanitra sy sampy jentilisa. Andriamanitra dia fanahy, tsy mitoetra ao amina tempoly nataon’ny olona. Tsy mitaky sorona Izy, fa fiderana avy amin’ireo zavaboariny. Jesosy dia nanambara fa „ny tena mpitsaoka, hitsaoka ny Ray [adika, ao amin’ny Baiboly, hoe : ny tena mpivavaka, hivavaka amin’ny Ray] amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” (Jaona 4:23). Ny irin’Andriamanitra dia ny hamonjy ny mpanota sy ny hanao azy ireo ho zanany ; dia ho afaka hitia Azy izy ireo, sady ho afaha hanome Azy ny voninahitra mendrika Azy. Tsy misy ilàn’Andriamanitra izay fivavahana miseho amina endrika ivelany sy fombafomba, fa ny andrasany dia fientanam-pon’ireo izay novonjeny.

Ny tena foto-kevitry ny ankamaroan’ny antokom-pivavahana, dia ny fanaovana asa sy fombafomba mba hampitony Andriamanitra tsy fantatra tsara akory, sy mba hanatanteraka izay takin’ny fahamarinany. Matoa ny olona iray miankohoka eo amina sampy sy mametraka fanatitra eo anoloany, dia ny mba hankasitrahan’ilay heveriny ho manana fahefana azy, sy ny mba hanalaviran’izy io ny loza tsy ho eo amin’ny fiainany. Tsy mba antony toy izany kosa no itsaohan’ny kristiana an’Andriamanitra Ray sy an’i Jesosy Kristy Zanany. Tsy mitsaoka izy mba ho voavonjy, na ho voaaro, na hoafahana. Ny fanompoam-panahy ataon’ny kristiana amin’Andriamanitra dia fanehoany tsotra fotsiny ny fankasitrahany, sady fotoana tandrify hararaotiny isaorana Azy sy anekena ny fahalehibeazany.

Ry mpino, satria Andriamanitra efa nanome antsika ny zavatra rehetra noho ny fitiavany, dia afaka isika midera Azy tsotra fotsiny am-pankasitrahana sy an-kitsimpo, noho ny maha Izy Azy sy noho ny nataony. „Hidera ny anaranao [aho] noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao” (Salamo 138:2).