Alatsinainy 6 Desambra 2021

(Hoy Jesosy tamin’ny mpianany :) Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony ; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo. Jaona 15:15

 

Mpanompo nanjary rahalahy (1)

Tsara vakina : ny taratasy ho an’i Filemona

Onesimosy, mpanompon’i Filemona, dia nandositra niala tao amin’ny tompony rehefa avy nangalatra tao aminy. Tany am-pandosirana izy dia nifanena tamin’ny apostoly Paoly, nahare ny Filazantsara, ka niova fo ho amin’ny finoana kristiana. Dia nalefan’i Paoly hiverina any amin’ny tompony izy, nampitondrainy taratasy mangataka an’i Filemona mba handray tsara ilay nandositra, nefa tsy toy ny mpanompo intsony, fa toy ny rahalahy malala (Filemona 16).

Ny tantaran’io mpanompo io dia mampiseho ny fiovana sata mahatalanjona omen’Andriamanitra ny olona tsirairay mandray ny aina vaovao avy aminy. Raha araka ny toetrantsika ara-pahariana, dia tsy afaka hahatakatra ireo fiheviny isika : ambony lavitra noho ny fihevitsika ireo (Isaia 55:9) ! Ary ratsy kokoa noho izany aza, satria ara-pahariana dia mpikomy isika, „olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin’ny sainareo, noho ny fanaovan-dratsy” (Kolosiana 1:21), ary maniry handositra lavitry ny masony. Nefa isika rehefa manaiky handray ny famelan-keloka atolony, noho ny finoantsika an’i Jesosy Kristy, dia tsy vitan’ny hoe omeny ny fiainana mandrakizay, fa atsangany koa ho zanaka. „Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe : Aba (Dada), Ray ô. Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka ; ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’Andriamanitra” (Galatiana 4:6, 7).

Ry kristiana, aoka isika hahay handanjalanja marina ny voninahitra omen’Andriamanitra antsika, sy ny tsy maha menatra an’i Jesosy hiantso antsika hoe rahalahy (Hebreo 2:11). Mba tokony ho antony hiderantsika Azy tsy an-kiato izany.

(rahampitso ny tohiny)