Alarobia 8 Desambra 2021

Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy (Jesosy) no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. 1 Jaona 3:16

 

Miampita ny hafanana avy amin’ny aina

Tsara vakina : Lioka 10:25-37

Sundar Singh, kristiana indiana fanta-daza tamin’ny fahafoizan-tenany, dia namakivaky tendrombohitra tany Népal niaraka tamina namana tibetana iray. Nilatsaka be ny oram-panala, ka jihitry ny hatsiaka izy roa lahy ary tsy nanan-kery intsony noho ny hasasarana. Dia indro ny iray tamin’izy ireo fa voafingana vatan’olona iray efa ho saron’ny oram-panala tanteraka : mpandeha lavo noho ny hasasarany izy io. Mbola nitepo mora kely ny fony.

— Ndao ezahintsika roa lahy hovonjena izy, hoy i Sundar Singh.

— Tsy misaina mihitsy ianao, hoy ilay iray ; vintana mihitsy, raha tafavoaka amin’izao aza isika ! Dia lasa izy.

Sundar Singh kosa dia afaka nanao am-babena ilay olona efa ho faty, ary nomban’ny fanampian’Andriamanitra izy, niezaka mafy hanohy ny diany. Kanjo nampahafana azy ny ezaka be dia be tsy maintsy nataony, sady nanafana ilay lehilahy nentiny koa, hany ka nampiverina ny ainy. Rehefa lasa lavidavitra izy ireo dia nahita ny vatana mangatsiakan’ilay namany, izay nikiry handeha talohany. Taoriana kelin’izay izy ireo dia tonga soa aman-tsara tao amin’ilay tranom-bahiny teny an-tendrombohitra.

Mitovitovy amin’ny tantaran’ilay Samaritana tsara fanahy notantarain’ny Tompo Jesosy io tantara io, izay mamariparitra ny toerana mampamoy fo misy ny olona tsirairay, lavitra an’Andriamanitra noho ny fahotany ary tsy afaka mamonjy ny tenany. Nangoraka antsika Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ka nidina avy any an-danitra. Maty teo amin’ny hazofijaliana Izy, nisolo toerana antsika, mba nampita ny ainy amintsika, ary nandray an-tanana antsika, mba hitondra antsika hatrany an-danitra. Ny tranon’ny Ray no handray antsika any ho mandrakizay.