Alakamisy 9 Desambra 2021

Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo, ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika. 1 Tesaloniana 5:23

 

Ny vatantsika

Ny vatan’olombelona dia zavamananaina mahagaga ; „mahatahotra sy mahatalanjona” ny nanaovana azy (Salamo 139:14). Io vatana io dia tranolay fotsiny ihany (2 Korintiana 5:1), fonenana vonjimaika, nefa taomina ny kristiana hikarakara azy, mba hampiasany azy hanompoany an’Andriamanitra. Matetika loatra anefa io vatana io dia ampiasaina ho an’ilay „izaho” —ntsika, hanomezana fahafaham-po ny filantsika. Izany no antony itaoman’Andriamanitra antsika ho mailo, manoloana izay rehetra misarika azy, ary hanaiky fa an’ny Tompo ny tenan’ny mpino : „Ny tena… dia… ho an’ny Tompo”. Miaraka amin’izany, „ny Tompo ho an’ny tena” (1 Korintiana 6:13). Izy mihitsy no manome antoka fa hikarakara izany : „Dia aza manahy ianareo ka manao hoe : Inona no hohaninay ? na : Inona no hosotroinay ? na : Inona no hotafinay ? … Fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany” (Matio 6:31, 32).

Tsy vitan’ny hoe an’i Kristy ny fanahintsika sy ny saintsika, fa ny vatantsika ihany koa dia mahazo tombony amin’ny asany (Filipiana 3:21). Araka izany dia tsy andevozin’ny ota intsony isika, ary afaka manompo sy manome voninahitra an’Andriamanitra. „Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo” (1 Korintiana 6:20). Ny apostoly Paoly dia niresaka ny vatany ho toy ny vilany tany misy harena, dia ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny Tompo Jesosy (2 Korintiana 4:7).

Indray andro any dia Jesosy mihitsy no hiverina haka ireo rehetra navotany. Hovaina hitovy amin’ny tenan’Ilay Mpamonjiny ny vatan’izy ireo. Dia hampidirina ao an-tranon’ny Ray izy ireo, vatana, fanahy sy saina.