Zoma 10 Desambra 2021

Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany ; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. 2 Petera 3:9

 

Ny faran’izao tontolo izao

Mpahay fizika maro no miombon-kevitra milaza fa karazana fipoahana goavana no niandohan’izao tontolo rehetra misy antsika izao. Misy hafa, tonga amin’ny tsoa-kevitra hoe raha nisy ny fiandohana tampoka, dia mety hisy koa ny fiafarana tampoka.

Isika anefa tsy mila izay kajy sarotra ataon’ny mpahay siansa mba hanamarina ny fanambaran’Ilay Mpahary, Izy tenany mihitsy. Lazainy ao amin’ny andininy voalohany ao amin’ny Baiboly, hoe : „Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1), ary any amin’ny faramparany : „Fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo… ary amin’izany ny lanitra ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy” (2 Petera 3:7, 10).

Nefa Andriamanitra irery no manambara, ao amin’ny Teniny, hoe :

— izany farany izany dia hialohavan’ny fiverenan’ny Tompo Jesosy Kristy, Izay ho avy indray haka ny mpino : ny mpino efa maty, izay hatsangany, sy ireo izay mbola velona, mba hampidirany azy ireo any an-danitra, hiaraka aminy ho mandrakizay.

— io fahatongavany io no hamarana izao fotoanan’ny fahasoavana izao, izay vanimpotoana voafetra ahafahan’ny olona rehetra, ianao koa, mandamina ny momba azy eo anatrehan’Andriamanitra. Ary asehon’ny zavatra rehetra fa efa antomotra io fiverenany io.

Hoy Jesosy amintsika : „Koa amin’izany, miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora” (Matio 25:13).