Alarobia 5 Janoary 2022

Fa fiarovana mafy ho an’ny reraka Ianao, eny, fiarovana mafy ho an’ny malahelo amin’ny fahoriany, fierena amin’ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin’ny hainandro. Isaia 25:4

 

Ny tanànan’i Le Havre-de-Grâce

Fantatsika ve fa ny tanànan’i Le Havre (any Frantsa) dia nantsoina hoe „Le Havre-de-Grâce”, taloha, izany hoe „Fialofana noho ny famindrampo” ? Tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-16 izany. Noho ny fangatahan’ny mpanjaka François 1er, dia nitadiavana toerana voaaro ny moron’ny ranomasina Manche, mba hanorenana seranan-tsambo. Ireo tantsambo tamin’izany fotoana izany dia nanoro hevitra hanorenana izany teo amorondrano avaratra tamin’ny vinanin’ny Seine. Fantatr’izy ireo mantsy fa teo no tsara ny fikorianan’ny rano, malefaka kokoa ny tafiotra, ka azo hialofana ao, amin’ny andro ratsy misy onja mahery. Toeram-pialofana, toerana voaaro, fialofana azo antoka sy milamina ! Tsy izany ve no hetahetan’ny tsirairay, rehefa manjary sarotra sy tsy azo antoka ny fiainana ? Fifaliana sy adidy ho antsika kristiana ny mijoro ho vavolombelona fa nahita izany isika. Izany dia Olona velona, Jesosy Kristy. Satria Andriamanitra Izy, dia mahafehy ny zavatra rehetra, na ny zava-miseho ara-boajanahary izany na ny toejavatra eo amin’ny fiainantsika. Iza no ho afaka hiaro antsika tsara kokoa noho Izy ? Ary satria Olona ihany koa Izy, sady niaina ny fijaliana, dia afaka mahatakatra sy miara-mitondra amintsika ireo olana mianjady amintsika. Miantefa amin’ny olona rehetra ny antsony : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Ny Vatolampiko, manda fiarovako, — Fialofana miaro ahy, Vonjy ho ahy ao anaty fahoriana, — Dia Jesosy, Ilay Mpanavotra. Mirohondrohona eo an-tongotro ny ranomasina ; — Misioka manodidina ahy ny rivotra : Eo amin’i Kristy, Vatolampiko, no miorina — Ny fanantenako sy ny finoako. Eo afovoan’ny tafiodrivotra, — Mba nahita io fialofana io ve ianao ? Hay ! Raiso ilay tanana mahery — Tanan’i Jesosy, Izay namonjy ahy.