Alakamisy 6 Janoary 2022

Teo amin’izay nihabeazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra. Romana 5:20

 

Ny ratsy hatrany ifotony, ny tsara tsy miankina amin’inona na inona

François Cheng, mpanoratra sy mpikambana ao amin’ny Akademia frantsay nanomboka tamin’ny taona 2002, dia mitantara ny nampitolagaga azy, nahita ny hakanton’ny voary manodidina tany Chine. Niaraka tamin’izany koa anefa no nilazany ny horohorony, manoloana ny vono olona nahatsiravina tany Nankin (1937). Ahoana no ahafahan’ny ratsy tsy hay tohaina mifanindran-dalana amina hakanto toy izany ? Hitany ny valin’izany zava-miafina izany, rehefa nifanena tamin’i Jesosy izy. Nanoratra izy hoe : „Jesosy dia niatrika ny ratsy hatrany ifotony sady nampiseho koa fa misy ny tsara tanteraka, ny fitiavana tsy miankina amin’inona na inona. Nandalo tamin’io fahafatesana tsy maintsy nolalovany io Izy, satria izany indrindra no hany fomba handresena ny fahafatesana, hanomezana lalana misokatra ho an’ny fiafaran’ny zanak’olombelona… Ao amin’ny maha mikoriana mitohy ny fotoana fantatry ny olombelona, dia nisy tokoa fahatapahana nitranga : talohan’i Jesosy, taorianany.”

Hoy ny Baiboly amintsika : „Jesosy… nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy… Izy dia novonoiny nahantony teo amin’ny hazo” (Asan’ny Apostoly 10:37-39). Ny fiainan’i Jesosy dia fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra ny voariny. Nanasitrana ny marary Izy, namahana ny vahoaka, namaly tamin’ny fahasoavana ny zavatra rehetra nilain’ireo nifanena taminy. Fa ny olona kosa nampiseho ny haratsin’ny fony, ka nampihatra ny halozany tamin’i Jesosy. Teo amin’ny hazofijaliana dia naseho hihoa-pampana ny zavatra rehetra. Andaniny, ny fitiavana faratampony, ny tsara tsy hay refesina ; ankilany, ny fankahalana tsy amin’antony, ny faharatsiana hatrany ifotony. Ny fahatsapana izany no dingana voalohany ho amin’ny famonjena atolotr’Andriamanitra ho an’ny olona mpanota sy meloka.