Zoma 7 Janoary 2022

Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy, amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana. Efesiana 6:18

… mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra. 1 Timoty 2:1

 

Mitovy amina vazy feno voninkazo

Tia voninkazo ny vadiko, ary ny fahitako azy manamboatra fehezam-boninkazo sy mikarakara izany isanandro, dia mahatonga ahy hieritreritra ny tsirairay amin’ireo voninkazo ireo toy ny olona iray asain’ny Tompo entiko tsara am-bavaka.

Ao am-pontsika ao dia mety misy olona tiantsika, akaiky antsika, ary fantatsika fa marefo, misy hafa mandalo toejavatra sarotra. Irintsika ny hitondra am-bavaka ny tsirairay amin’izy ireo, hivavaka tsy tapaka. Mba tsy hanadinoana azy ireo, dia azontsika soratana ao anaty karine ny anarany. Fotoana fohy monja ao anatin’ny andro dia ampy hahatsiarovantsika olona iray sy hivavahana ho azy, satria azontsika antoka fa Jesosy dia mihaino ny vavaka ataontsika.

Ny fitondrana am-bavaka —ny fivavahana ho an’ny hafa- dia ny fitiavana eo am-pandohalihana. Toy inona moa ny fahasambarantsika, rehefa am-paharetana sy amina toe-tsaina mino no ametrahantsika ireo namantsika amin’Ilay Raintsika, Izay te hanasoa ny isambatanolona !

Manao izany „asa” fitondrana am-bavaka izany ny kristiana rehetra, satria isika tsy mivavaka ho an’ny filantsika manokana fotsiny, fa afaka mifampivavaka ihany koa. Izany dia endrika manan-danja amin’ny asa ara-panahy ankinin’i Jesosy amintsika etỳ an-tany. Zava-miafina ho antsika, fa Andriamanitra dia manasa antsika hiara-hiasa aminy, amin’ny alalan’ny vavaka, ho an’ireo izay antsoiny ho amin’ny famonjena, mba ho fampaherezana ny mpanompony rehetra, ny zanany rehetra, indrindra ireo izay enjehina noho ny Anaran’ny Tompo, ary koa ho an’ny manampahefana mitondra antsika… Jesosy mihitsy aza no mifona ho an’ny olona rehetra ; koa ndao mba hanahaka Azy !