Asabotsy 8 Janoary 2022

… amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Arnaud Beltrame, ilay mahery fo

Efa ho adiny iray izao no nanambana basy teo amin’ny hatok’i Julie ilay mpampihorohoro tany Trèbes (Frantsa). Nanolo-tena hisolo toerana ilay takalon’aina ny lietena-kolonely Arnaud Beltrame. Novelesina mafy izy ka maty ny alin’iny, ary nanjary olomanga. Fahafoizan-tena toa inona moa izany ! Ity manamboninahitra zandary ity dia naka tahaka Olona mahery fo hafa, Jesosy Kristy, Izay hanangana azy amin’ny maty rehefa miverina.

Ny olona rehetra dia „takalon’aina” ho an’ny devoly avokoa, nanomboka tamin’ilay zava-nitranga tao an-tsaha Edena. Mba hanafahany antsika amin’ny ratsy, Andriamanitra dia naka endrik’olombelona, tao amin’i Jesosy Kristy. Taorianan’ny fiainany tsy nisy fahadisoana dia nanaiky Jesosy, Izay Andriamanitra tonga olona, mba hohomboana eo amin’ny hazofijaliana toy ny jiolahy. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe : „Angamba hisy ihany ny sasany sahy maty aza, hamonjy ny manao soa”. Avy eo dia hoy izy hoe : „Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5:7, 8). Tamin’ny fahafatesany dia nanjary „takalon’aina” nisolo toerana antsika Jesosy Kristy.

Maty ny kolonely Beltrame, ary indrisy fa tsy afaka ho velona indray eto an-tany. Jesosy kosa, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nitsangan-ko velona. Nasehony tamin’izany fa tsy „takalon’aina” fehezin’ny fahafatesana Izy, fa mahery ka mahavita manafaka hanaraka Azy ireo rehetra mino Azy. Toy ilay kolonely nisolo toerana ilay takalon’aina, tsy nisy tambiny, dia maty nisolo toerana anao Jesosy Kristy, ka manjary Mpamonjinao, raha manaiky ny sorona nataony ianao. Izy dia manome anao ny fiainana, fiainana mihoatra lavitra noho ny fisianao eto an-tany, dia ny fiainana mandrakizay.