Alahady 9 Janoary 2022

Fa olom-boavidy [lafo] ianareo. 1 Korintiana 6:20

Fa voavono Ianao [ry Tompo], ary ny ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra. Apokalypsy 5:9

 

Maimaimpoana… nefa tamin’ny vidiny lafo dia lafo !

Heno indraindray ny teny hoe : „Mora loatra ny miteny fa ampy ny mino, mba ho voavonjy !” Azo valiana hoe : „Mora amin’iza : amin’ny olona sa amin’Andriamanitra ?”

Am-pitiavana no andraisan’Andriamanitra ny olona amin’ny maha izy azy, olona mpanota, ka anomezany azy ny fiainana mandrakizay. Ataony ho zanany izy, mba handraisany azy any aminy, any an-danitra. Inona no angatahiny, ho setrin’izany ? Mino fotsiny ny teniny, matoky Azy. Ny finoana no lalam-pamonjena tsotra indrindra. Samy afaka mizotra amin’io lalana io ny ankizy sy ny olon-dehibe, ny tsy manampahalalana sy ny manampahaizana. Tsy hoe manao na manome, fa hoe : „Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:36). Ny olona tsirairay, rehefa niaiky fa very, dia tokony hino ny lanjan’ny sorona nataon’i Jesosy, mba ho voavonjy.

Araka izany dia maimaimpoana ny zavatra rehetra, ho an’ny mpino. Fa Andriamanitra kosa dia tsy maintsy nanefa ny sandan’izany fanafahana izany : nomeny ny Zanany. Izy dia „tsy niaro ny Zanany lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy” (Romana 8:32). Tsy haintsika takarina ny zava-niseho tao amin’Andriamanitra noho ny nanomezany ny Zanany hamonjy antsika.

Imbetsaka ny Baiboly no miresaka ihany koa momba ireo fijalian’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Voalaza mialoha ireo, ao amin’ireo Salamo : „Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Ianao ?” (Salamo 22:1), sy amin’ny feon’ireo mpaminany : „Nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra” (Isaia 53:6). Ahitana fanehoana ireo fijaliana ireo ao amin’ny filazantsara, ny epistily ary hatrany amin’ny Apokalypsy.

Eny, voavonjy maimaimpoana ny mpino, satria Jesosy nanefa sandany tsy hita noanoa ho azy !