Alatsinainy 10 Janoary 2022

Na dia omeko ho an’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. 1 Korintiana 13:3

Ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika. Romana 5:5

 

Ilay tononkalon’ny fitiavana

Tsara vakina : 1 Korintiana 13

Nisy dokotera tanora silamo izay, indray andro, niditra tao an’efitranona mpiara-miasa aminy, izay kristiana, ary nahita boky kely nisokatra teo ambony fandrianany. Noraisiny ilay boky ary nanontany izy hoe : Azoko vakina ve ?

Rehefa avy namaky sy namerina namaky ampahany tao izy, dia nilaza tamin’ilay namany hoe : Marina an, tsy fantatro hoe misy zavatra tsara toy izao ao anatin’ny Baibolinareo. Afaka mamaky azy ve aho izao, dia hiverina hamaky azy indray ?

Avy namaky ny 1 Korintiana 13 izy. Io lahatsoratra io koa, indray andro, no nanaitra mpihaino onjam-peo kristiana iray. Dia iny izy no nikaroka ilay boky mirakitra io „tononkalon’ny fitiavana” io.

Ny fitiavana dia ivon’ny finoana kristiana. Tamin’ny teny farany nataon’ny Tompo Jesosy tamin’ny mpianany, dia notsindriany ny maha zava-dehibe ny fitiavan’Andriamanitra : „Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia” (Jaona 13:34, 35).

Ny andinin-tSoratra Masina fantatra indrindra ao amin’ny Baiboly dia manomboka amin’ny hoe : „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana…” (Jaona 3:16). Izany no fototra, teboka iaingana, satria „avy amin’Andriamanitra ny fitiavana” (1 Jaona 4:7). Tsy nilaza tamiko fotsiny Izy hoe tia ahy, fa nanaporofo izany mihitsy. Ary nitia ahy fatratra io Zanany nomeny ahy io, ka nanolotra ny ainy hamonjy ahy. Ndao hamaky sy hamerina mamaky io toko mahafinaritra io, sady mieritreritra Azy.

— Andriamanitro ô, arotsahy ato am-poko, eo amin’ny fiainako, anie, ny fitiavanao, ilay fitiavana mitovy amin’ny fitiavan’i Jesosy Mpamonjiko !