Talata 11 Janoary 2022

Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:6

 

Inona no atao hoe fahamarinana ?

Io lohahevitra famakafaka ara-filôzôfia io dia mamerina fanontaniana lehibe fametraky ny olombelona. Ankehitriny izy io dia miitatra any amin’ireo adihevitra eo amin’ny fiarahamonina, momba ny fahamarinana ara-tsiansa, ara-tantara, ara-pitsarana, ara-panaovan-gazety, sns.

Iadiana hevitra ny hoe miankina amin’ny isambatanolona na ny zavamisy ve ny fahamarinana, sa tsia ; tokony ho fantatra ve, sa loza mitatao raha fantatra. Ny iraisan-kevitra angamba dia hoe mitaky ezaka ny fitadiavana azy.

Mety hahagaga antsika ny valiny omen’ny Baiboly an’io fanontaniana io. Hoy Jesosy, ao amin’ny Teny omena antsika androany : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”. Amin’izany dia mihoatra noho ny foto-kevitra no anehoan’ny Baiboly ny fahamarinana, fa Olona no asehony, Olona sady Andriamanitra.

Mahavery hevitra angamba izany valiny izany, amin’ny voalohany, nefa dia mitondra fitoniana lehibe ho antsika. Ny olombelona mantsy dia mamorona rijan-kevitra mitombina ihany na tsia, fa Ilay Mpahary ny zavatra rehetra kosa dia azontsika hatonina amin’ny vavaka sy ny famakiana ny Teniny. Dia mianatra hahafantatra an’i Jesosy isika. Izy no lalana maneho amintsika an’Andriamanitra ho Ray tia antsika. Izy no Ilay Teny Mpahary tonga nofo, nonina tetỳ anivon’ny olombelona, mba hanambara amintsika ny fahamarinana, ny maha Izy Azy sy ny maha isika antsika. Fahamarinana ho nanameloka antsika, raha tsy niaraka tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Fahasoavana sy fahamarinana ao amin’i Jesosy Kristy (Jaona 1:17), izany no valiny omen’Andriamanitra Ray ho an’ny filana lalina ao anatin’ny olombelona tsy manana fifandraisana aminy. „Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:36). „Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako”, hoy Jesosy.