Alarobia 12 Janoary 2022

Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô ! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra ; heniky ny zavatra nataonao ny tany. Salamo 104:24

 

Lany taranaka

Maty tamin’ny volana marsa 2018 ny tokantandroka (rhinocéros) lahy fotsy farany fantatra. Koa ahina ho lany taranaka io karazam-biby io, izay vaviny roa sisa no tavela. „Rehefa mahare aho fa misy karazana zavamaniry na biby iray fongana, amiko dia toy ny hoe ny asasoratra rehetra nataona mpanoratra lehibe iray no manjavona”, hoy i Théodore Roosevelt (filohan’ny Etazonia tany aloha).

Tsy fantatsika izay mpanoratra noeritreretiny tamin’izany. Mahatalanjona ny fahasamihafan’ny karazana zavamaniry sy biby ; nefa ve izy ireny tsy asan-tanan’Andriamanitra, „Ilay Mpanoratra lehibe” ? Ny karazany tsirairay dia toy ny boky iray, toy ny sanganasa. Ireny boky velona ireny dia mampiseho amintsika ny herin’Ilay Andriamanitra Mpahary sy ny fahendreny. Miresaka amintsika momba ny fitiavany ny olombelona ihany koa izy ireny, satria ho azy ireo no namoronan’Andriamanitra ity tany kanto ity sy izay rehetra eo aminy.

Malahelo toa an’i Roosevelt isika, mahatsapa fa ny fanaovan’ny olombelona tsirambina dia mahatonga karazan-javatra ho lany taranaka ary tsy hiverina intsony. Nefa kosa misy boky iray hafa nosoratan’Andriamanitra, sanganasa iray, dia ny Baiboly, izay nezahina holevonina matetika, nefa „tsy mba ho levona” (Marka 13:31).

Ahoana ny fihetsitsika manoloana io boky mahatalanjona napetrak’Andriamanitra ho an’ny olona io ? Aoka isika hiaiky : be herehina loatra isika ka tsy maka fotoana ho liana ny amin’izany. Toy ny hoe ny zavatra rehetra atao mbamin’ny fiahiahiana izao fiainana izao dia mampirona „hampanjavona” sy hampanadino io boky manambara ny fitiavan’Andriamanitra antsika io. Nefa tsy tara loatra, na oviana na oviana, raha hanomboka hamaky azy. Vonona hanao izany ve isika ?