Alakamisy 13 Janoary 2022

Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Jaona 1:1

Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. Jaona 1:14

 

Ahoana ny hevitrao momba ny Baiboly ?

Ny finoan’ny kristiana dia miorina amin’ny hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Manamarina izany ireo lahatsoratra ao aminy : an-jatony ny fiteny hita ao toy ny hoe : Hoy Andriamanitra ; Izao no lazain’i Jehovah ; Hoy Jesosy, sns. Hazavain’ny Baiboly antsika ihany koa ny fomba nampanoratan’Andriamanitra ny teniny, teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, Izay Andriamanitra. Rehefa manoratra taratasy tononin’ny lehibeny ny mpitantsoratra, azo lazaina hoe avy amin’ilay mpitantsoratra ve io taratasy io ? Tsia ! Toy izany koa, Andriamanitra dia nampita ny teniny tamina olona. Tsy tamin’ny sitrapon’ny olona no nahatongavan’ny Baiboly, fa „avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona, araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy” (2 Petera 1:21).

Efa an’arivo taonany ny Baiboly no naharitra, nanoloana ireo mpanohitra azy. Naely an-tapitrisany maro tamin’ny fiteny rehetra izy. Hatramin’ny niandohany dia sahaza ny toetrandro hatrany ny hafatra entiny, velona, ary mahasoa ny taranaka mifandimby, manerana izao tontolo izao. Izany ve tsy mitondra ny marik’Ilay nanoratra azy, dia Andriamanitra, Izay fitiavana sy fahazavana ?

Ny Testamenta Vaovao, fizarana faharoa ao amin’ny Baiboly, dia milaza amintsika fa tonga nofo ny Teny. Tonga Andriamanitra mba hiteny amintsika, tao amin’i Jesosy, Ilay Zanany Lahitokana. Ny filazantsara efatra dia manoritsoritra amintsika ilay vanimpotoana nandrenesan’ireo mpiara-belona tamin’i Jesosy Azy, Ilay Olona sady Andriamanitra, nahitan’ny mason’izy ireo Azy, nikasihan’ny tanan’izy ireo Azy. Tsy vitan’ny hoe Mpahary azy ireo ihany Andriamanitra, fa tonga tetỳ an-tany koa noho ny fitiavany, mba hamonjy ny olona noarìny.

Fa hamonjy azy amin’ny inona moa ? Ary amin’ny fomba ahoana ? Dieny izao aho dia mila valin’ireo fanontaniana fototra ireo. Ny Baiboly no manome ahy izany.