Zoma 14 Janoary 2022

(Hoy Jesosy :) Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Jaona 5:39

 

Tandrevaka mampidi-doza

— Inona no boky tranainy mahamenatra anao ny tsy namakianao azy ? — Ny Baiboly.

Io mpanentana ao amin’ny onjam-peo sy fahitalavitra io dia niaiky fa tsy matory firy ka manararaotra mamaky boky maro. „Boky roa isanandro, farafahakeliny.” Ahitana karazam-boky rehetra ao aminy, boky 3000 voalahatra arakaraka ny mpanoratra azy : tantara noforonina, filôzôfia, tantara an-tsehatra… Boky tranainy iray no toa tsy azon’ny fitiavany mamaky boky, dia ny Baiboly.

Mamaky boky isika mba hampitombo ny fahalalantsika, hisintaka, hiala voly. Fa ny lahatsoratra ao amin’ny Baiboly kosa dia velona. Ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra, teny misy hery afaka mampifandray antsika amin’Andriamanitra sy manova antsika. Izy no mampahafantatra hoe iza moa Andriamanitra, Ilay fitiavana sy fahazavana. Izy dia toy ny voa mitsiry ao am-pon’izay mandray azy : „Fa efa teraka indray ianareo… tamin’ny… tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra” (1 Petera 1:23).

Ny hoe mino izay ambaran’ny Baiboly, dia mino izay lazain’Andriamanitra. Ny tanjony dia ny hampita amintsika ny ain’Andriamanitra. Ambony lavitra noho ny fialam-boly ny Baiboly, satria mitarika hahita ny tena fahasambarana. „Ny tenin’i Jehovah dia teny madio” (Salamo 12:6), tsy toy izay rehetra mety ho soratan’ny olombelona. Tsy misy tsy ilaina ao amin’ny Baiboly, fa mahasoa avokoa. Lazainy antsika ny marina momba antsika sy momba an’Andriamanitra. „Ny teninao no fahamarinana” (Jaona 17:17).

Raha manana Baiboly ianao, dia sokafy izany !