Asabotsy 15 Janoary 2022

Tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny (namonjen’Andriamanitra) antsika. Titosy 3:5

Izay milaza fa mitoetra ao aminy (ao amin’i Jesosy) izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. 1 Jaona 2:6

 

Ahoana no fomba anarahana an’i Jesosy

„Jesosy dia nitondra hafatra mitory fanantenana sy fiadanana. Tsy azoko ny antony tsy ahafahan’ny olona mampihatra izany”, hoy ity olona iray, gaga. Mihoatra ny 2000 taona izao no nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany, nefa dia mbola resahina ihany ny fampianarana lalina navelany ho antsika. Manintona mafy ny teniny sasantsasany : „Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa” (Jaona 13:34). „Fa tiava ny fahavalonareo ary manaova soa, dia mampisambora, ka aza kivy na amin’inona na amin’inona” (Lioka 6:35). Ekena an-kitsimpo fa ny fampiharana izany dia hanova tanteraka ny fiainam-piarahamonina, ary hitondra fiadanana sy fahasambarana ho an’ny olombelona. Koa nahoana àry no tsy atao izany ?

Tsotra fotsiny ny antony : satria tsy mahay manatanteraka izany ny olombelona avela hanao izay tiany ; manakana azy tsy hahavita izany ny toetrany voamariky ny ota. Voaporofo izany rehefa nolavina sy novonoina Jesosy, Ilay mpitondra hafatra mifono fitiavana sy fiadanana. „Ny soa nataoko novaliany ratsy, ary ny fitiavako novaliany fankahalana” (Salamo 109:5). Lazain’ny Baiboly koa fa ny olona, amin’ny toetrany ara-nofo, dia „adala…, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filana sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala” (Titosy 3:3).

Nefa Andriamanitra tsy mijanona amin’izany fahatsapana mampalahelo izany. Atolony antsika ny fanafodin’izany. Ny finoana an’i Jesosy Kristy sy ny herin’ny rany, ny ainy natolony teo amin’ny hazofijaliana, dia manafaka antsika amin’ny fahamelohantsika. Mihoatra lavitra noho izany aza, fa omen’Andriamanitra toetra vaovao ny mpino, toetra afaka mitia tahaka Azy. „Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao [fahariana vaovao] izy” (2 Korintiana 5:17).