Alahady 16 Janoary 2022

Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana… Na dia ny ony maro aza, tsy mahavono ny afon’ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy. Tononkiran’i Solomona 8:6, 7

Izy (Jesosy) no nanolotra ny ainy hamonjy antsika. 1 Jaona 3:16

 

Malemy satria tia

„Misy ve malemy kokoa noho zazakely teraka tao an-tranon’omby, na lehilahy maty teo amina hazofijaliana ? Nefa dia izany indrindra no tokony hotiavina, hohajaina, harovana, fa tsy ny hery na ny fandresena.” Izany no tenina filôzôfa iray, niresaka an’i Jesosy Kristy voahombo teo amin’ny hazofijaliana tao anatin’ny fahalemena (2 Korintiana 13:4). Jesosy anefa no Ilay Zanak’Andriamanitra, tonga olona tetỳ an-tany. Nanana ny zo rehetra sy ny herin’Ilay Andriamanitra Mpahary Izy. Izy no Ilay Tompon’ny voninahitra, nanetry tena mba hanome voninahitra an’Andriamanitra sy hamonjy olona mpanota.

Zavatra lehibe lavitra noho ny hery manosihosy ny hafa no nasehony. Nasehony ny atao hoe tena fitiavana, dia ny fitiavan’Andriamanitra. „Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika” (1 Jaona 3:16). Ny fiainany dia fanehoana fo feno fahasoavana, famindrampo, ary fiantrana. Afaka nanatona Azy avokoa ny olona rehetra, ary nahita valiny tamin’izay nanahirana azy. Nefa dia tsy maintsy niteny Izy hoe : „Ny soa nataoko novaliany ratsy, ary ny fitiavako novaliany fankahalana” (Salamo 109:5). Nohelohina ho faty Izy, tsy amin’antony. Nizaka ny tsy rariny faratampony Izy, nefa dia nangina. Notsiratsiraina tam-pahasiahana sy herisetra ary habibiana Izy. Nekeny ny ho faty, mba hahafahany manolotra famelan-keloka maimaimpoana ho an’izay mino Azy. Ny fahalemeny nozakainy an-tsitrapo dia nanambara fitiavana mihoatra noho izay rehetra mety ho fahalalana. Izany no fandresen’ny fitiavana ny fankahalana, fandresen’ny tsara ny ratsy. Izany hatsarana izany, izany fahalehibeazana izany, no ivo banjinin’ny finoana.