Alatsinainy 17 Janoary 2022

Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah ; nefa hoy ianareo : Inona no nentinao nitia anay ? Malakia 1:2

Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoanandro, hamonjy ny ratsy fanahy. Romana 5:6

 

Tsy miraharaha ve Andriamanitra ?

Manoloana ny zava-mitranga ankehitriny, dia maro ny olona manontany tena momba an’Andriamanitra sy ny toa tsy fihetsehany. Dia afaka mihevitra ve isika fa tsy miraharaha ny toerana misy antsika Andriamanitra ?

Ilay Andriamanitra maneho ny tenany ao amin’ny Baiboly dia hafa tanteraka amin’ny olona, izay voariny. Izy dia mandrakizay sy tsy misy fetra, isika kosa voafetra sy mety maty. Andriamanitra dia lavorary, masina, „madio maso ka tsy te hitsinjo ny ratsy” (Habakoka 1:13). Isika olombelona kosa, indraindray, dia manao zavatra mahameloka ary manana sain-dratsy.

Mampisaraka antsika tanteraka amin’Andriamanitra izany, satria ny ratsy dia tsy afaka miaraka amin’ny toetra maha Izy Azy : „Ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo” (Isaia 59:2).

Nefa Andriamanitra dia tia ny voariny, ka maniry hanana fifandraisana amin’ny olona tsirairay. Manana drafitra hametrahana fifandraisana vaovao amin’ny isambatanolona Izy. Satria ny olona tsy mahay manatona Azy, dia Izy mihitsy no nanatona azy ireo, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Izay Andriamanitra sady Olona. Jesosy, Ilay Olona lavorary, dia nandamina ny momba ireo fahotantsika, mba hampihavana antsika amin’io Andriamanitra masina sy marina io. Fitiavana no nanaovany izany, tamin’ny nanomezany ny ainy, hanavotany antsika.

Koa tsy miraharaha àry ve Andriamanitra ? Ny olombelona no tsy miraharaha ! Maro ny olona mandà ny famonjena, ny fiainana mandrakizay atolotr’Andriamanitra maimaimpoana ho an’ireo rehetra manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjiny. Izy Andriamanitra dia „tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” (1 Timoty 2:4).