Talata 18 Janoary 2022

Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao. Jeremia 31:3

 

Ny fitiavan’Andriamanitra no manome hery ahy

„Niaina fahazazana nampahory aho, niaraka tamina ray izay na dia tsy nanao herisetra ara-batana aza, dia nahery setra fiteny, indrindra tamin’ny reniko. Farany moa dia nisaraka ny ray aman-dreniko, ary vao iraikambinifolo taona aho dia nanomboka nanao izay danin’ny kiboko, nivoaka antsokosoko ; ary efa niara-nandray zava-mahadomelina tamina ankizivavy namako iray aza aho.

Tamin’ny taona niomanako haka bakalôrea, dia niresaka tamiko momba an’Andriamanitra ilay vehivavy mpifanolo-bodirindrina aminay, izay kristiana. Tsy dia takatro loatra ny nolazainy. Ho ahy, Andriamanitra dia lavitra ary tsy afaka manampy ahy. Ny fiheverako Azy aza dia Andriamanitra masiaka, vonona hanasazy ahy. Na izany aza anefa, dia tiako ny niresaka tamin’ilay mpiara-monina taminay, ary nanohina ahy ny zavatra nolazainy ahy momba an’Andriamanitra.

Nitaona ahy hamonjy fivoriana kristiana io ramatoa io. Tany no nandrenesako ny hafatr’i Jesosy : maty hamonjy ahy Izy, tia ahy, nitondra ny fahotako rehetra teo amin’ny hazofijaliana. Tena nisy fitiavana mihitsy teo amin’ireo olona ireo : nandray an-tanana ahy izy ireo ary nivavaka ho ahy.

Ela aho vao niova. Nihevitra aho, tamin’izany fotoana izany, fa tsy nisy olona tia ahy sady tsy nisy dikany ny fahavelomako. Naratra loatra mantsy aho, ka tsy nahatakatra hoe afaka manao zavatra ho ahy Andriamanitra. Nefa dia nositraniny tanteraka aho, indrindra teo amin’ny lafiny fihetseham-po sy ny fitiavana. Ankehitriny dia fantatro fa manan-danja amin’Andriamanitra aho. Toy ny olona tsirairay, dia misy dikany aminy aho. Ary indrindra, fantatro fa tena tia ahy Andriamanitra. Ny fitiavany no manome hery ahy ankehitriny, manome ahy hery hoenti-miaina.”

Christelle