Alarobia 19 Janoary 2022

Izay mamaly teny mbola tsy re, dia hadalana sy henatra ho azy izany. Ohabolana 18:13

Andramo ka izahao fa tsara Jehovah ; sambatra izay olona mialoka aminy. Salamo 34:8

 

Andramo aloha !

Tamin’ny sakafo hariva dia nikiakiaka i Tojo, zaza enin-taona, nahita ny legioma naroso :

— Tsy mila an’io aho, tsy tiako io !

— Andray ! ianao aza mbola tsy nanandrana akory !

— An an an, tsy mila an’io aho !

Nanandrana ihany i Tojo nony farany, ary rehefa nihinana kely dia nangataka indray !

Tsy toy izany koa ve ny fihetsiky ny olon-dehibe sasantsasany, manoloana ny Baiboly ? Maro ireo boky vakina, ary bokim-pivavahana ihany koa aza, nefa dia sarotra ialana ny petra-kevitra mialoha mahatonga tsy ho tia Baiboly. Eny, tokony hahay manery tena, mba hahafantarana an’i Jesosy.

Ny Baiboly dia manome antsika ohatra tsara mampiseho fa ilaina ny fikarohana manokana, mba hahalalan-javatra. Filipo, anisan’ny mpianatr’i Jesosy, dia nilaza tamin’i Natanaela namany fa efa nahita ny Mesia, dia Jesosy avy any Nazareta. Namaly azy i Natanaela hoe : „Moa mba misy zavatsoa va avy any Nazareta ?” (Jaona 1:46). Fantatr’i Natanaela mantsy fa tsy misy dikany ho an’ny mpivavaka io tanàna kely io. Dia hijanona fotsiny amin’izao ve izy ? Tsy niady hevitra taminy i Filipo, fa nanao fanamby taminy, fanamby miantefa ihany koa amin’ny olona rehetra mahitsy fo : „Andeha hizaha”.

Dia izany no nataon’i Natanaela. Nihaona tamin’i Jesosy izy, ary resy lahatra ka nanambara fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra. Raha tsy nanatona an’i Jesosy izy, dia ho dila-na fihaonana nanova ny fiainany.

Raha mahitsy ara-tsaina, dia tsy hitsara na hanao tsinontsinona zavatra tsy fantatra akory, ary hitady sy hamakafaka tsara aloha, vao hiresaka momba izany.