Alakamisy 20 Janoary 2022

Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana ; fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Ohabolana 1:7

 

Faharesen-dahatra voahozongozona

Naniratsira mandrakariva ity dokotera tsy mpino iray, rehefa niresaka momba ny Baiboly. Tiany indrindra ny nanakiana ny fahamarinana ara-Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty, izay fototry ny finoana kristiana, satria ny hoe nitsangan-ko velona indray Kristy dia manome antsika fahazoana antoka fa voafafa ireo fahotantsika !

Namadibadika Baiboly io dokotera io, indray andro, mba hanohanany ny fitsikerany. Sendra izao andinin-tSoratra Masina izao izy : „Fa hisy hanao hoe : Hatao ahoana ary no fanangana ny maty ? Ary tena manao ahoana no hisehoany ?” (1 Korintiana 15:35). Ity angamba no lalana hikarohana… Ahoana no hitsanganan’ny vatana ho velona indray ? Nampiato azy tampoka anefa ny teny nanaraka izany : „Ry adala !” Mamaly izany fanontaniana izany ny Baiboly, maneho sary efa hitan’ny olona rehetra eo amin’ny voary, dia ny fitsimohan’ny voa. Raha mbola „matory” ny voa, dia tsy mitombo. Fa rehefa ampikasohana amin’ny rano kosa izy, dia afaka manomboka mitsimoka, mba hanjary zavamaniry. Samy hafa tanteraka ny endriky ny zavamaniry sy ny endriky ny voa, nefa tsy mametraka olana amintsika izany ! (and 36-38)

Nitady hamely ny Baiboly io dokotera io, no voahozongozona tao amin’ny fahareseny lahatra, ka nitodika tamin’Andriamanitra, Izay niteny hoe : „Hitan’izay tsy nitady [Ahy Aho]” (Isaia 65:1).

Nefa Andriamanitra dia maneho ny tenany koa amin’ireo izay ao anaty fisalasalana sy tsy fahazoana antoka, amin’ireo izay mitady ny fahamarinana, mba hanome azy ireo antoka momba ny fiainana mandrakizay : „Hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra” (Jeremia 29:13).