Zoma 21 Janoary 2022

Izao no lazain’i Jehovah… Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. Jeremia 33:2, 3

 

Mamaly ny fanontaniantsika Andriamanitra

— Mbola tanora aho, ka nahoana no hieritreritra sahady momba ny any ankoatra ?

„Aza mirehareha ny amin’ny ampitso ianao ; fa na dia ny havoakan’ny anio aza, tsy fantatrao” (Ohabolana 27:1).

— Olona mahitsy aho, ka nahoana moa Andriamanitra no hanameloka ahy ?

„Tsy misy marina, na dia iray akory aza” (Romana 3:10).

— Tsy misy na inona na inona manenjika ahy, ao amin’ny fieritreretako.

„Nefa tsy mahamarina ahy izany ; fa ny Tompo no Mpitsara ahy” (1 Korintiana 4:4).

— Afaka mandray olona mahantra toa ahy ve Jesosy ?

„Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” (Jaona 6:37).

— Inona no tokony hatao mba hananana ny fiainana mandrakizay ?

„Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra… manana fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5:13).

— Inona no tokony hataoko mba ho voavonjy ?

„Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31).

— Tsy hamoy zavatra be loatra ve aho raha manjary kristiana ?

„Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay” (Matio 19:29).

— Tsara loatra izany ka toa tsy marina !

„Andriamanitra tsy mahay mandainga” (Titosy 1:2).