Asabotsy 22 Janoary 2022

(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28

 

Nahita an’Andriamanitra tany am-pigadrana aho

Tsy hay nampiononina i Mparany tamin’ny nahafatesan’ny rainy. Nifandimby ny taona, dia iny izy fa tafalatsaka tsikelikely tao anaty fiankinan-doha amin’ny zava-pisotro mahamamo sy ny setrasetra… ka nony farany dia nigadra, voaheloka ho nikasa hamono olona.

Afaka iray volana, namoy fo izy ka nangataka hihaona amin’ny mpamatsy ara-panahy, izay namborahany hoe : „Mivavaka aho, nefa tsy mamaly ahy Andriamanitra”. Nanomboka tamin’io andro io dia nihaona isan-kerinandro izy roa lahy. „Nangetaheta toy ny fasika any an-taniefitra i Mparany. Te hahalala ny zavatra rehetra izy. Noresahiny ahy ny fiainany, ary noresahiko azy kosa Jesosy.”

Nanohina an’i Mparany ny fitiavan’i Kristy, ka niangaviany ilay namany vaovao mba hanazava aminy ny teny ao amin’ny Baiboly. „Ny tranomaizina, hoy izy nanazava, no nanome ahy toerana ho an’Andriamanitra. Tao Izy no namela ahy hiova ao anaty, sy hampihiratra ny masoko hijery ny fiainako taloha. Tena zava-dehibe tamiko hatrizay ny fahafahana. Ary nasaiko natao tombo-kavatsa tao an-damosiko mihitsy aza io teny io, taloha lavitry ny niovako fo. Nefa tany am-ponja aho vao nahatakatra ny tena dikany. Nanafaka ahy Jesosy. Niaraka tamiko mandrakariva Izy, saingy izaho fotsiny no tsy nahita Azy.”

Rehefa nivoaka ny fonja izy, dia nitantara hoe : „Maniry lalina aho hahafantatra bebe kokoa an’Andriamanitra. Mangetaheta aho hivavaka sy hamaky ny Baiboly. Nanafaka ahy Andriamanitra, tsy ara-batana ihany, fa ara-tsaina sy ara-panahy koa. Afaka miresaka izany aho ankehitriny, satria efa niaina ny herin’ny finoana ao amin’ny Kristy. Fa raha tamin’ny telo taona lasa, dia tsy ho noheveriko mihitsy ny hoe hijoro ho vavolombelon’ny finoako, indray andro any.”