Alahady 23 Janoary 2022

Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy, hamonjy ny mpanota. 1 Timoty 1:15

Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao. Asan’ny Apostoly 16:31

 

Fantatrao ve Izy ?

Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga tetỳ an-tany, Mba hitady sy hamonjy ireo izay very ; Mahay manafaka anao amin’ny vesatry ny fahantranao Izy ; Fantatrao ve Izy ?

 

Fantatrao ve ny fijaliany, nandeha nankany Kalvary, Sy ny niaretany rehefa nohomboana teo amin’ny hazo ? Fantatrao ve fa tamin’ny nahafatesany no nanefany Ny tambin’ny otanao ?

 

Fantatrao ve ny lanjan’ny rany izay manadio Sy afaka mamafa ho mandrakizay ireo fahadisoanao ? Fantatrao ve fa, eo anatrehan’Andriamanitra, io ra manamarina io No nanao ny fampihavanana ?

 

Eny ! Raha mbola tsy hitanao ny fahasoavana sy herin’ Io Zanak’ondrin’Andriamanitra maty teo amin’ny hazofijaliana io, Dia manatòna Azy haingana, mba hahita ao aminy ny fanafahana tanteraka. Mijere ary minoa !

 

Minoa ny Tompo Jesosy, manolo-tanana anao Izy ankehitriny ; Avia manandrana ny fahasambarana entiny ho anao anio ; Mamalia tsy misy hataka andro intsony, satria mihelina dia mihelina ny fotoana ! Eny ! Manatòna Azy !