Alatsinainy 24 Janoary 2022

(Hoy Jesosy :) Tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Matio 7:21

 

Hoy Jesosy aminao…

— Izaho no fahazavana (Jaona 8:12).

Avelanao hanazava ny fiainanao ve Izy ?

— Izaho no lalana (Jaona 14:6).

Hahita ny tanjon’ny fisianao eto an-tany, ny tena fahasambarana… mahaliana anao ve izany ?

— Izaho no fahamarinana (Jaona 14:6).

Mino izany ve ianao ?

— Izaho no fiainana (Jaona 14:6).

Azonao raisina ny ain’Andriamanitra, omen’i Jesosy anao izany. Hanaiky izany ve ianao ?

— Izaho no Mpampianatra sy Tompo (Jaona 13:13).

Te hianatra aminy ve ianao ? Te hahafantatra ny heriny ?

— Izaho no Ilay Zanak’Andriamanitra (Jaona 9:35-37).

Te hahafantatra ny Ray ve ianao ?

— Izaho no vavahady (Jaona 10:9).

Ny hany vavahady hanatonana ny Ray. Mino izany ve ianao ?

— Izaho no fananganana ny maty sy fiainana : izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray (Jaona 11:25).

Mino izany ve ianao ?

— Izaho no Mpiandry Tsara (Jaona 10:11),

— Ilay nanolotra ny ainy ho anao,

— Ilay mahafantatra ny anaranao ary miantso anao,

— Ilay afaka mamela ireo helokao sy manome anao ny fiainana mandrakizay,

— Ilay fiarovana ho anao mandrakizay.

— „Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina, ho an’izay mangetaheta” (Apokalypsy 21:6).