Talata 25 Janoary 2022

(Hoy Jesosy :) Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao… ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. Marka 10:29, 30

 

Hanova fiainana hoe ?

Mpiasan’ny banky lasa niompy osy, mpikirakira informatika nanjary mpilalao an-dampihazo, injeniera niova ho mpampianatra ankizy madinika, indreo ohatra vitsivitsy, olona nisafidy hanova, tsy ny asany ihany, fa indraindray aza dia ny fiainany mihitsy. Tonga saina tsara izy ireo amin’ny fahasahiranana tsy maintsy hosedrainy ao amin’ny pejy vaovao eo amin’ny fiainany, nefa dia tsy nisalasala hanao ny zavatra ankafiziny ho anton’asany.

Andriamanitra dia manolotra ho an’ny rehetra fiovana lehibe lavitra noho izany. Fitodihan-doha hentitra, ao anaty lalina ao, ary indrindra tsy maintsy ilaina : izany dia fialana amin’ny fahavelomantsika lavitra an’Andriamanitra, ary fanankinana aminy ny fiainantsika. Izany dia fiekena ny maha mpanota antsika, ary fandraisana ny famelan-keloka atolony antsika, famelan-keloka azo noho ny nahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana.

Dia fiainam-baovao no hisokatra eo anoloantsika. Tsy hilaozana fitsapana izany, nefa ireo fotoan-tsarotra dia ho azo iainana omban’ny fanampian’Andriamanitra. Tsy voatery hisy fiovana ara-pitaovana, satria, alohan’ny zavatra rehetra, dia fiovana anaty izany, ho hita maso ao amintsika. Ho foana ireo tanjontsika teo aloha, hisolo tanjona vaovao, angamba misy fitiavan-tena kely kokoa, fa indrindra, mirindra amin’izay sitrak’Andriamanitra, noho ny fanampian’ny Fanahiny : manao izay mahafaly an’Andriamanitra, mampahafantatra Azy eo amin’ny manodidina antsika… Tsy hanenenantsika izany !