Alarobia 26 Janoary 2022

Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony. Romana 1:20

 

Ny fomba fitenin’ny voary

Andriamanitra dia nanoratra boky roa lehibe nomeny hovakin’ny olombelona, dia ny voary sy ny Baiboly. Ny olombelona, noho ny faharanitan-tsainy, dia tokony hamantatra sy hanaiky ny hery mandrakizay sy ny maha Andriamanitra an’Ilay niandohan’ny zavatra rehetra, ka Mpahary azy koa, noho izany.

Nefa „finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao” (Hebreo 11:3).

Raha mitsangantsangana fotsiny eny ambanivohitra isika, dia hahita antony an’arivony hampitolagaga antsika, manoloana ny fahaiza-mamoron’Ilay Mpahary : voninkazo eny an-tsaha, ny endriky ny raviny, ny bibikely mipetraka eo amboniny… Ny zavatra rehetra, manomboka amin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny faran’izay bitika indrindra, dia samy milaza ny herim-pamoronan’Ilay Andriamanitsika sy ny fahendreny. Ny mpino afaka mahatakatra ny zavatra hita ara-tsiansa vao haingana indrindra dia mitolagaga manoloana ny hamaron’ny singa mifampidipiditra amina fomba voafaritra mazava tsara ao amin’ny faharian’Andriamanitra. Asehon’ny voary antsika ihany koa fa Andriamanitra dia te hanasoa ny zavaboariny, izay tiany.

Ny mpamoron-javatra rehetra dia manana zo amin’ny zavatra namboariny ; araka izany, Ilay Mpahary dia manana zo amin’ny olona, izay matetika loatra no tsy te hanaiky izany.

Ny fandavana tsy hihaino Ilay Mpahary dia mitondra ho amin’ny loza faran’izay ratsy eo amin’ny fomba fiaina sy ny fahasalamana (jereo Romana 1:24-32). Ny fahalotoana manimba kokoa hatrany ny tontolo iainana dia vokatr’io tsy firaharahana an’Andriamanitra io koa.

Aoka isika tsy hanaiky hotaomin’ireo rijan-kevitra miovaova izay foronin’izao tontolo izao mba handravana mihitsy ilay hevitra hoe misy Mpahary.