Alakamisy 27 Janoary 2022

Katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany. Kolosiana 3:1, 2

 

Miandrandra mijery ny kintana

Ilay mpahay fizikan-kintana Stephen Hawking (1942-2018) dia nanokana ny fiainany hamantatra ireo tsiambaratelon’izao tontolo rehetra izao. „Tsotra ny tanjoko, hoy izy indray andro. Ny hahatakatra tanteraka ny momba izao tontolo rehetra izao… hahatakatra hoe nahoana izy no toy izao, ary inona ny antom-pisiany.” Nandà ny fanambaran’Andriamanitra izy, ary na neken’ireo mpahay siansa fa matsilo saina aza, dia tsy nahaboraka ny tsiambaratelon’izao tontolo rehetra izao, talohan’ny nahafatesany. Notaominy ny isambatanolona hanao toa azy : „Ny kintana jerena, fa aza ny tongotrareo. Andramo omena dikany izay hitanareo, ary manontania tena ny amin’ny antom-pisian’izao tontolo rehetra izao. Mbà lian-kahalala.”

Ny Baiboly koa dia mitaona antsika hijery ny any ambony, saingy noho ny antony hafa tanteraka. „Asandrato ny masonareo, ka mijere ; iza no nahary ireny ?” (Isaia 40:26). „Milaza ny isan’ny kintana Izy (Jehovah) ; samy tononiny amin’ny anarany avy ireny rehetra ireny. Lehibe ny Tompontsika sady be hery ; tsy hita lany ny fahalalany” (Salamo 147:4, 5). Hita maso ny voninahitr’Ilay Andriamanitra Mpahary. Taominy isika hijery Azy, satria Izy koa no Ilay Andriamanitra Mpamonjy. „Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo” (Isaia 45:22). Ny hoe voavonjy dia hoe afaka amin’ny fahamelohana sy amin’izay manamaizina ny maso. Raha mino isika fa nitondra ireo fahadisoantsika Jesosy Kristy, dia tsy vitan’ny hoe hibanjina ny hatsaran’ny endriky ny lanitra fotsiny, fa hitolagaga ihany koa mahafantatra Ilay namorona izany, dia Jesosy. Mihoatra noho izany aza, Ilay Mpamonjintsika dia nietry hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana, nefa Andriamanitra dia nanangana Azy ho velona indray, ary nanandratra Azy any an-danitra. Any ambony lavitra noho ny kintana, izany no tsinjo goavana eo anoloan’izay mino.