Zoma 28 Janoary 2022

Nefa tsy misy manao hoe : Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ny alina. Joba 35:10

Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ny fisainany. Jeremia 10:12

 

Ny Mpahary no tsy ampy teo amin’ny fiainako

„Teo amin’ny fahatanorako aho dia nahazo fanabeazana tsara sy fampianarana ara-pivavahana, saingy nijanona teo amin’ny „ivelambelany” fotsiny. Tsy hoe tsy teo Andriamanitra, fa teo ivelan’ny fiainako. Tsy noraisiko ho Ilay Mpahary, Ilay loharanon’ny aiko, Izy. Narefo ny finoako, nefa nahatohitra ireo zava-tsarotra teo amin’ny fiainana andavanandro. Ary izany dia mandra-pahatonga ilay loza namoizako ny anabaviko sy ny zaodahiko ary ny zanaka vavikelin’izy ireo. Teo dia rava ny finoako… dia nailiko Andriamanitra, na hoe angaha, Izy araka ny nahafantarako Azy. Fa Izy kosa tsy mba nahafoy ahy. Nisy fanontaniana maro nijanona tao am-poko lalina tao, ary tsy ela Andriamanitra dia naneho ny tenany tamiko.

Telo taona tatỳ aoriana dia tany Alzeria aho, niara-namboatra zotram-pifandraisana tamina mpiara-miasa roa, Louis sy Robert. Indray hariva, tany Béni-Mansour, dia nandeha tamina lalankely tany ambanivohitra izahay ; feno kintana namirapiratra nahafinaritra ny lanitra, zavatra kanto mampiavaka an’i Afrika. Tampoka teo dia hoy i Louis : „Tsy afaka hisy izao zavatra kanto izao, raha tsy avy amina Fisiana tokana ambony lavitra noho isika olombelona”. Rehefa nolazaiko azy ny fanalavirako ny Tompo, dia hoy izy nanohy : „Dia mino ve ianao fa izao hazavana izao, izao fandaharana ny kintana izao, izao tontolo midadasika tsy misy fetra izao, izao firindrana izao dia tsy asan’Ilay Fisiana tokana Izay ambony lavitra noho isika ?” Nijanona teo ny resakay tamin’io hariva io, nefa dia toy ny nifoha ilay finoana bitika tato anatiko.

Ela vao nitsimoka sy nitombo io finoako io, mandra-pitondrany ahy hanana fifandraisana velona amin’Andriamanitra. Telopolo taona tatỳ aoriana, dia afaka niresaka tamin’i Louis momba ny finoako aho… taloha kelin’ny nahafatesany. Dia fantany fa nilaina ilay nijoroany ho vavolombelona.”

Michel R.