Asabotsy 29 Janoary 2022

Ny Rainareo mahalala… Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. Lioka 12:30, 32

Fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. Matio 23:9

 

Ilay Raintsika any an-danitra

Nikorotan-tsaina sy nalahelo ireo mpianatr’i Jesosy, vondron’olona vitsivitsy nivory nanodidina ny Mpampianatra azy ireo, rehefa nanambarany ny hijaliany, ny hahafatesany ary ny handehanany ho any an-danitra, any an-tranon’ny Rainy (Jaona 14:1-7). Vaka ny sain’izy ireo, nieritreritra fa tsy hahita an’i Jesosy eo anilany intsony. Nefa nanome toky azy ireo Jesosy, hoe afaka miresaka mivantana amin’Andriamanitra toy ny amina Ray izy ireo : „Hangataka amin’ny anarako ianareo… fa ny Ray dia tia anareo” (Jaona 16:26, 27). Tonga tetỳ an-tany Jesosy mba hampahafantatra antsika an’Andriamanitra ho Ray, ary „izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12). Tatỳ aoriana, rehefa nitsangana tamin’ny maty Jesosy, dia niteny tamin’i Maria Magdalena hoe : „Mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe : Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo” (Jaona 20:17).

Ry kristiana, amin’izany fifandraisana mahatretrika izany ve no anatonantsika an’Andriamanitra ? fifandraisana zanaka amin’Ilay Raintsika ? Eny, Ilay Andriamanitra Mpahary izao tontolo rehetra izao no Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, ary Raintsika ihany koa. Nihevitra izay hahasoa ny mpianany i Jesosy, nihevitra ny zavatra nilain’izy ireo andavanandro, ny fanafahana azy ireo, ny fiarovana azy ireo ; dia toy izany koa, amina fitsimbinana mitovy amin’izany no tian’ny Raintsika hamaliana ny fangatahantsika ankehitriny, araka ny fahendreny.

Mahafaly an’Andriamanitra ny fifaliantsika, ary te hiray fo amintsika Izy, mizaka ny alahelontsika sy ny fijaliantsika. Koa ndao holazaina Azy ireo fikasantsika, zava-manahirana ary fahoriana. Raha tsy dia tsapantsika indraindray hoe eo anilantsika Izy, dia ndao hamerina hamaky, indrindra ny Filazantsara nosoratan’i Jaona, izay iresahan’i Jesosy amintsika momba ny Ray ary itenenany hoe : „Ny Ray dia tia anareo”.